Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Eoropa

Irian'ity bilaogera mpiresaka fivezivezena ity mba ho “babom-pitiavana” an'i Makedônia Avaratra ireo Pôlôney mpiray tanindrazana aminy

"Ary hitohy handresy lahatra ireo Pôlôney aho hoe ireo ao Balkàna dia tsy vanja milevina fa kosa tavin-divay iray."

Inona no olana telo volana taorian'ny fihetsiketsehana manohitra ny governemanta tany Bolgaria?

Mpanao politika malaza nanao ho fananany manokana ny morondranomasina ho an'ny daholobe. Mitaky ny fanavaozana tanteraka ny rafitra politika feno kolikoly ny hetsi-bahoaka midadasika ankehitriny.

Ekoatora: Vehivavy manandrana mivarotra ny maha-virjiny azy ho an'izay sahy ambony indrindra tany Espaina

Tsy vao sambany izao ry zareo Ekoatoriàna no manao zavatra tafahoatra tahaka izany. Efa nisy tranga hafa niseho izay nivarotan'ireo Ekoatoriana ny taovany, toy ny voa, havokavoka ary ny tsokandamosina noho izy ireo nisedra olana ara-bola henjana tany Espaina.

Tokony heverina ho teny fankahalana ny fitsipahana fisian'ny Holocaust ao amin'ny Facebook, hoy ny fitakian'ireo sisa niangana

Tsy tahaka an'i Eoropa, izay mametraka ny kabarim-pankahalàna ho heloka bevava noho ny niainan'ny ankamaroan'ireo firenena ireo ny horohoron'ny Ady Lehibe Faharoa, dia tsy manana lalàna tahaka izany kosa eo amin'ny sehatra manerana ny firenena i Etazonia.

Nahazo ny lokan'ny Printsin'i Asturias tany Espaina i Quino ilay mpanao tantara an-tsary ‘Mafalda’

Ilay mpanao sariitatra Arzantiniana fanta-daza 81 [2014] taona no ilay lehilahy ao ambadiky ny zazavavy kely Mafalda idealista nefa mahita ny lafy ratsin-javatra.

Mahara-baovao ireo Amerikàna tsy manan-kialofana, maneho hevitra ireo Rosiàna mpampiasa aterineto

Misy olona sasantsasany tsy afaka ny hahafantatra mihitsy hoe inona no ilàn-dry zareo solosaina, ary tena tontolo hafa tanteraka ho azy ireo izany aterineto izany

Ny fiandohan'ny sivana aterineto tany Alemaina

Tao anatin'ny andro telo, sonia 50.000 no azo – ny isa ilaina mba ho azon'ny parlemanta dinihana ny amin'ilay fanangonantsonia...Tao anatin'ny fetra 6 herinandro, olona 130.000 no nahavita sonia, nahatonga io fanangonantsonia io ho ny iray isan'ny nahangona sonia betsaka indrindra sy nahomby teo amin'ny tantara.

Sariitatra serba maneho ny lalao pôlitika ambadiky ny vaksinin'ny COVID-19 avy any Shina sy/na Rosia

Nanambara ny governemanta serba fa hanome ho an'ny vahoaka ao aminy ny vaksiny hiadiana amin'ny COVID-19, saingy tsy manambara izay fiaviany, niteraka asa famoronana sariitatra

Srebrenica : kaoperativam-behivavy manjaitra «arotava fiarovana ho an'ny rehetra»

Hita ao anatin'ity vondrona mavitrika ity ireo vehivavy avy amin'ny sehatr'asa isankarazany, samy vonona avokoa hanatratra tanjona mitovy: hanohana ny vondrompiarahamonina misy azy ireo.

Bosnia & Herzegovina, mpirotsaka an-tsitrapo miaro ireo mpifindramonina tafahitsoka any mba tsy hiharan'ny levilevin'ny eo an-toerana

Ao amin'ny tanàna fahatelo lehibe indrindra ao Bosnia, mba hahitàna fitoniana sy vonjy dia ireo mpirotsaka an-tsitrapo no sisa ianteheran'ireo mpifindra monina miaina ao anatiny sy manodidina ny toby fiandrasana fiarandalamby