Tantara mikasika ny Kolontsaina
Ho fandravana ny demôkrasia, nofoanan'ny fitsarana thailandey ny antoko mpanohitra voalohany
"Ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana dia tokony ho fikambanana miaro ny Lalàmpanorenana sy ny zo araka ny Lalàmpanorenana. Fa izao izy fikambanana manitatra ny fahefam-panjakana sy mametra ny zon’ny olona sy ny fahalalahan’izy ireo."
Firaisankinan'i Aziatika Afovoany sambany hita tao amin'ny lalao olaimpikan'i Paris
Asehon'izao haavom-piraisankina izao fa efa naharafitra mari-panondroana iraisana i Aziatika Afovoany ary nifampijery mihoatra noho ny firenena mifanakaiky fotsiny.
Ampangaina ho manimbazimba ilay Belarosiana mpanao hatsikana mampitaha ny filohany amin'ny fody
Malaza ilay mpanao hatsikana amin'ny fanakianana mibaribary ny fitondrana Belarosiana sy ny mpitandro ny filaminana, indrindra taorian'ny fihetsiketsehana tamin'ny taona 2020.
Niteraka fahatsapàna fitiavan-tanindrazana ny fahafatesan'ilay Goianey mpihira malaza, fa mitarazoka kosa ny fifandroritana sisintany amin'i Venezoelà
"Mety hoe ady sisintany no nandrehitra an'izany, fa ny "Not a Blade of Grass" dia tranga iray fotsiny amin'ireo vahoaka Goianey maneho amin-kafanampo sy amim-pitiavana ny fitiavan-dry zareo an'i Goiana... "
Nalaky loatra ve ny nanadinoan'i Namibia ny fandripahana?
Nahoana no ela be taorian'ny fahaleovantenany i Namibia vao mahatsiaro ilay fandripahana namoizany ny efa ho 76 isanjaton'ny vahoaka Nama sy Ovaherero?
Fantaro ilay teratanin'i Etazonia nametraka ny vatofototry ny fanaovana ady totohondry tao Ozbekistan
Ankizy an'arivony no nandalo tao amin'ny sekoliny fianarana ady totohondry, ary lasa tompon-daka eran-tany sy olaimpika ny sasany tamin'izy ireo, tsy lazaina intsony ireo mpanao ady totohondry am-polony nahazo ny tompondakam-pirenena.
Mankalaza ny Andron'ny Fanafahana ny Karaiba
"Ankehitriny, tsaroanay sy omem-boninahitra ny herim-pon'ny razambenay sy ny fahavononana hanafaka sy hanorina hoavy tsara kokoa izay misy ny rariny, ny fitoviana ary ny fahafahana ho an'ny rehetra."
Ao RDC, rehefa atambatry ny “nionsologie” ireo milaza ho mahay ny zavatra rehetra
Ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC), mankahatra ny lojikan'ny fahalalàna ireo "sarintsarina sôsialista" ka milaza "ho mahay ny zavatra rehetra" amin'ny famenoana ny tambajotra sôsialy amin'ny fanehoankevitra tsy mitombona aroson-dry zareo
Zavakantom-panoherana ho fitaovam-piadian'ny Hetsiky ny Mpianatra ao Bangladesh izao
Tranga miavaka amin'ny hetsiky ny mpianatra ao Bangladesh amin'izao fotoana izao ny fampiasana sariitatra sy tantara an-tsary zaraina amin'ny media sosialy, sy graffiti mbamin'ny afisy eny an-dalana.
Nangasihasy ry zareo Belarosiàna any am-pielezana nony nahita fa tsy nisy tamingana Belarosiàna tamin'ilay fifanakalozana gadra
Mazàna no tsy raharahaina ny fijalian'ireo Belarosiàna gadra pôlitika, ary na 18 aza no navotsotra tamin'ny volana lasa iny, tombanana ho mbola misy 1.400 any am-ponja