Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Avrily, 2012
Shina: Fihetseham-po Manoloana Ny Fandraràna an'i Sola Aoi, Japoney Malaza Mpilalao Horonantsary Mamoafady
Sahiran-tsaina ireo mpiondana aterineto tamin'ny fandraràn'ny governemanta hanatsahatra ny fisehoan'ny kintan'ny horonantsary mamoafady Japoney, Sola Aoi amin'ireo fandaharana amin'ny fahitalavitra. Ho fanehoan"izy ireo ny fanohanany, nampiseho teny filamatra nandritra ny lalao baolina kitra iray tany Guangzhou izy ireo, izay nahasarika ny saina tokoa.
Sina: Fanandramana Ny “Fanapahana Vonjimaika” ny World Wide Web?

Nanjary "intranet" ny aterineton'i Sina nandritra ny adiny roa teo ho eo ny 12 Aprily. Tsy afaka niditra tamin'ny World Wide Web (WWW) ny mpampiasa aterineto rehetra tany Sina ka tsy afaka nifandray tamin'ireo vohikalan-tambajotra sosialy sy mailaka rehetra tany ivelany. Mino ireo mpampiasa aterineto fa fanandramana ny sivana aterineto ho an'ny "Fanapahana vonjimaika".
Andro Iray Eto An-Tany: Nivoaka Ny Rakikira Niaraha-Mientana Manerantany
Nisy rakikira an-dahatsary iray nivoaka ho fanomanana ny fiaraha-mijery manerantany [mg] ny sarimihetsika nifarimbonana manerantany One Day on Earth [Andro Iray Eto An-Tany], izay hotontosaina any amin'ny toerana maro samihafa manerana ny planeta mandritra ny Andron'ny Tany (22 Avrily 2012). Asongadin'ny lahatsary ny mpihira, poety, mpandihy noraketina an-tsarimihetsika nandritra ny fotoana mitovy 24 oran'ny 10 Oktobra 2012, izay niangalian'i Cut Chemist ny fanapatapahana sy ny fanambatambarana azy.
Shina: Mametraka Ny Tenany Eo Ambany Fanaraha-maso I Ai Weiwei, Mpanakanto Mpanohitra
Nametraka kamera kely mandefa ny zavamisy mivantana ho hitan'ny rehetra efatra tao an-tranony any Beijing ilay mpanakanto Sinoa malaza Ai Weiwei ho mariky ny fanoherany ny fanaraha-mason'ny mpitandro filaminana azy mandritra ny 24 ora.
Lahatsary: Fandripaham-behivavy Sy Kilongavavy Any Shina Sy India
Eo amin'i India sy i Shina, 200.000.000 ny isan'ny zazavavy “manjavona” noho ny fanalan-jazarano vavy na noho ny fandaozana sy famonoana kilongavavy. Maro ny lahatsarim-panadihadiana na vaovao mitatitra ity tranga...
Hong Kong: Voarahona Ny Fahalalahana Ao Amin'ny Aterineto, Noraisin'ny Antoko 50 Cent Ny Fahefana

Miaraka amin'ny fanampian'ny governemantan'i Beijing, nandresy tamin'ilay fifidianan'olom-bitsy tany Hong Kong ilay mpirotsaka ho fidiana ho Lehiben'ny Mpanatanteraka, Leung Chung-Ying. Nahazo vato miisa 689 tamin'ireo mpikambana ao amin'ny vondrom-pifidianana i Leung. Manomboka ny antsojay atao amin'ireo mpitolona mitaky fifidianana demaokratika
Hong Kong: Lavin'ny Vahoaka Ny Fifidiana Ben'ny Tanàna Tsy Tamin'ny Fomba Demaokratika
Amin'ireo tale mpanatanteraka 1.200 mpikambana amin'ny kaomitim-pifidianana ao Hong Kong, 689 no nifidy an'i Leung Chun-ying ho ny ben'ny tanàna manaraka ny 25 Martsa. Rehefa navoaka ny valim-pifidianana, an'arivony ireo mpanao fihetsiketsehana nanohitra ny fanodinkodinana ny fifidianana nataon'i Beijing teo ivelan'ny biraom-pifidianana vonjimaika.
Miezaka Ny Hiditra Indray Ao Shina Ve Ny Facebook?
Niverina avy any Shina ny Tale Jeneralin'ny Facebook, Mark Zuckerberg. Maro ireo mpanao gazety tany an-toerana sy ireo mpiondana aterineto no nahatsikaritra azy sy ny sipany, Priscilla Chan, tao Shanghai tamin'ny Talata lasa teo, 27 Martsa, ary indray mandeha indray, niparitaka toy ny afo ny honohono tany anaty aterineto: Mikarakara ny hiverenany indray ao Shina ve ilay mpanjakan'ny tambajotra sosialy?