Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Desambra, 2011
Shina: Fitroarana Tao Guangdong, Ao Haimen Ankehitriny
Hatramin'izay nametrahana ny tananàn'i Wukan ao amin'ny faritanin'i Guangdong eo ambany fanaraha-maso taorian'ny fanesorana ny Antoko sy ireo manampahefana tao amin'ny governemanta izay, dia farafahakeliny tanàna roa mifanakaiky no nanao hetsika manokana. Ny vao haingana indrindra izao dia ilay nitranga androany, izay voalaza fa nahitàna olona 30.000 nibahana sampanan-dalana iray be mpivezivezy .
Shina: Voadaroka Ilay Mpilalao sarimihetsika Christian Bale Raha Nikasa Hamangy An'i Chen Guangcheng
Taorian'ny 48 ora nitondrana fiara avy any Beijing, toerana nanaovany fanentanana ilay horonan-tsarimihetsika The Flowers of War notontosainy, voadaroka ilay mpilalao horonan-tsarimihetsika Britanika Christian Bale tamin'ny 15 Desambra 2011, raha...
Shina: Manara-maso Ny Fifidianana Ho Filoha Hatao Amin'ny 2012
Ny fahalinan'ireo Shinoa mpiondana aterineto tamin'ny andiany voalohany amin'ireo adihevitra telo tamin'ny faran'ny herinandro izay mitondra mankamin'ny fifidianana ho filoham-pirenena ao Taiwan amin'ny volana ambony dia manolotra hevitra ny amin'ny tokony hifantohan'ny saina misimisy kokoa amin'ity fihodinana ity mihoatra noho izay natao tamin'ny fifidianana tamin'ny 2008, sy hitarina ihany koa ny fifantohana ho tonga hatrany amin'ny toerana misy ireo antoko politia tsirairay amin'ny fampitambarana an'i Shina.
Ho An'ireo Shinoa Mpiondana Aterineto, ny SOPA Dia Rindrimbe Iray Hafa Indray
Niteraka fanehoan-kevitra feno fanalàna azy teo amin'ny tontolon'ny aterineto miteny Shinoa ny momba ny lalàna Stop Online Piracy Act (SOPA), na Fandraràna ny Fijirihana ao amin'ny Aterineto izay andrasana ho entina hofidiana eo amin'ny Antenimiera Amerikana alohan'ny faran'ny taona. Voakinan'ny Amerikana foana ny governemanta Shinoa tamin'ny fanelingelenana ny fivezivezen'ny vaovao tamin'ny alàlan'ny rafitra iray fanivànana fanta-bahoaka amin'ny hoe ilay Rindrimbe, na Great Firewall. Anjaran'ny Shinoa mpiondana aterineto indray izao ny mihomehy amin'ny tolo-dalàna momba ny Great Firewall Vita Amerikana.
Shina sy Makedonia: Tezitra Ny Mpiserasera Sinoa Noho Ny Fanomezana Fiara Mpitatitra Mpianatra
Niteraka fahatezerana teo amin'ny mpiserasera Sinoa ny vaovao momba ilay fanomezan'ny governemananta Sinoa Fiara mpitatitra mpianatra miisa 23 ho an'ny Repoblikan'i Makedonia tamin'ny 25 Novambra 2011 lasa teo, satria mbola ao...