Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Mey, 2021
Sazy famonjàna dimy taona no arangarangan'ny manampahefana ao Hong Kong ho an'ireo izay manatrika ny fiaretantory fahatsiarovana ny Vonomoka tao Tiananmen
Nampitandrina ny birao fa araka ny didy fanapahana momba ny filaminam-bahoaka, ireo mandika lalàna dia hiatrika hatramin'ny sazy famonjàna mandritra ny dimy taona na herintaona noho ny fampielezany (fanaovany doka ho) an'ilay fiaretantory.
Mpikatrok'i Hong Kong nodidiana higadra noho ny fiaraha-mahatsiaro tamin'ny taona 2020 ny famonoana tao an-kianjan'ny Tiananmen
Nivory hahatsiarovana ny famonoana teo an-kianjan'ny Tiananmen tamin'ny 4 jona ny Hongkongers hatramin'ny taona 1990. Manamarika ny didim-pitsarana fa izay rehetra mbola mandray anjara amin'ny fiaraha-mahatsiaro amin'ity taona ity dia mety hoampangaina ho nanao fivoriana tsy araka ny lalàna.
Taiwan, ‘toerana mampidi-doza indrindra eto an-tany'? Tsy izany, hoy ny Taiwaney
Niteraka fanehoan-kevitra mahery tao amin'ny Twitter Taiwaney ny fonomboky momba ny tantaran'i Taiwan ao amin'ny Gazety britanika The Economist tamin'ity herinandro ity, izay nahatalanjona ireo mpikirakira marobe ny lohateny hoe "Taiwan: Ilay toerana mampidi-doza indrindra eto an-tany."
Manome toky hanatsara ny tontolo iasàn'ireo irakiraka mpanatitra entana i Shina. Mifanipaka amin'izany anefa ny fisamborany mpikatroka iray avy amin'ny sendikan'ny mpiasa
"Tany am-piandohan'ity taona ity, nosamborina ary nohelohina noho ny 'fandrantoana ady ' i Chen Guajiang, mpiasa mpanatitra entana nanampy tamin'ny fikarakaràna vondrona WeChat ampolony ho an'ireo mpamily". Fonja dimy taona no sazy miandry azy.