Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Miasa mafy isan'andro ireo mpirotsaka an-tsitrapo manerantany ato amin'ny fikambananay hitondra ho anao ireo tantara tsy voatatitra manerana izao tontolo izao -- Saingy tsy afa-manao izany samirery tsy misy ny fanampianao izahay. Tohano amin'ny alalan'ny fanomezana (fitia tsy mba hetra) hoan'ny Global Voices ireo tonia, mpahay teknolojia, mpanentana ara-piarovana ato aminay!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Makaô (Shina)

21 Septambra 2016

Macao no Hampifandray an'i Shina amin'ny Firenena Mpiteny Paortiogey

Macao no ho tetezam-pifandraisana eo amin'i Shina sy ireo firenena mpiteny portiogey. Tian'ilay Shinoa mpitantana ny faritra ihany koa ny hanamafisana ao Macao sy ao Shina ny fianarana teny portiogey.

27 Oktobra 2014

Ny Mety Hoavin'i Shina No Hitan'Ireo Ao Taiwan Amin'ny Hetsi-panoheran'ireo Mpomba Ny Demaokrasia Ao Hong Kong

An'arivony mahery ireo olona tonga nifamory tao amin'ny "Freedom Square" tao Taiwan mba haneho ny firaisankinany amin'ireo mpanao hetsi-panoherana any Hong Kong .

31 Aogositra 2014

Famoretan'ny Mpitondra Ao Makaô Amin'ireo Mpikatroky Ny Demôkrasia Mitaky ny Zo Hifidy Mpitondra

Mifidy ny lehibeny amin'ny alalan'ny kaomity i Makaô, izay faritra manana rafi-pitantanana manokana ao Shina. Nikarakara fitsapankevibahoaka tsy ofisialy ho an'ny zo ahafahana mifidy amin'ny taona 2019 ireo ny vondrona telo mpiaro ny demôkrasia.

30 Mey 2014

SARY: Olona Niisa 20.000, Nanao Fihetsiketsehana Tao Makaô, Nanohitra Ny ‘Volavolan-Dalàna Hanangonan-karena Hatrany Sy Tombontsoa’

Volavolan-dalàna manome alalana ny filohan'ny governemanta ao Makaô, izay faritra manana rafi-pitantanana manokana ao Shina, ho tsy azo enjehana araky ny lalàna sady manome hery azy sy ahazoany tombontsoa isam-bolana ihany na dia miala amin'ny toerany aza izy.

21 Jolay 2013

Hetsi-panoherana Nampandamoaka Tetikasa Fananganana Foibe Nokleary Tao Atsimon'i Shina

Taorian'ny telo andro nisesy nanaovana hetsi-panoherana, dia hita fa nandao ny tetikasany hanangana foibe nokleary ny governemanta monisipalin'i Heshan ao an-drenivohitr'i Jiangmen. Manahy izy ireo fa mety hafindra any an-toeran-kafa fotsiny ilay tetikasa, any amin'ny farihin'i Pear River Delta Atsimon'i Shina, izay tanàna isan'ny be mponina indrindra.

13 Aogositra 2010

Sina: Tantaran'ny “Visa”

Hatraiza fotsiny ny hasarotr'izany, hoy i Chen Zikun mpitoraka blaogy ao amin'ny Sina sady mpanao gazety mahaleo tena ao amin'ny lahatsorany tamin'ny 6 Aogositra, ho an'ireo mpitety tany Sinoa te-haka “visa”—ka ny valitenin'i Chen dia toa manao hoe: tsy dia sarotra loatra—ka izaràny ireo tantara momba ny “visa” ho an'ireo...

07 Desambra 2007

Shina : Rotaka teo amin'ny mpizahatany sy ny Pôlisy tany Makaô

Nisy rotaka nitranga tamin'ny Pôlisy any Makaô sy ny mpizahatany avy tamin'ny “tanibe” [Shina]. (Tamin'ny fanambarana farany, nolavin'ny mpitondra any Makaô ny fisian'izay rotaka tamin'ny Pôlisy, ambaran-dry zareo fa fanazaran-tena tsy lavitra teo no antom-pisian'ireo Pôlisy tany). Notaterina fa vondrona ahitana mpizahatany mihoatry ny 100 no nifanolana tamin'ireo tompon-tany mpitarika fizahantany [guide] momba famangiana ny...