Tantara mikasika ny Tanora
Manampy trotraka ny ratran'i Trinidad & Tobago ny fahafatesan'ilay zaza menavava
Ao anatin'ny tontolon'ny herisetra iainan'ny firenena - natahotra ny momba ilay zaza ny olom-pirenena ary henjana ny rivotra iainana ao amin'ny tontolom-bolongana eo an-toerana.
Famonjàna ankizy : nahoana ireo olon-dehibe Salvadoriana no tsy miraharaha an'ireo tanora voarohirohy anaty asan-jiolahy
Fotoana izao hanovàna ny fomba fijerintsika an'ireo ankizy taiditra anaty andian-jiolahy.
Lesoka eo amin'ny fanadinana fidirana ao amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa ao Trinite sy Tobago ahariharin'ny tsy fahombiazan'ny maripakasitrahana
Mampametra-panontaniana momba ny tsy fitanilàna sy ny tena ilàna azy ny fahavotsavotsàna eo amin'ny fizotry ny fanomezana naoty amin'ny Fanadinana fitsapàna hidirana eo amin'ny Sekoly Ambaratonga Faharoa (SEA) ao Tobago sy Trinidad
Shagz Chronicles: Ilay rakipeo Keniana izay maniry anao ho tia ny fiteny sy kolontsaina Kikuyu
Mitohy ho fanamby lehibe iray ny fandikàna ny fiteny Kikuyu. Maniry ny Shagz Chronicles mba hatao fenitra eo amin'ny fiainana andavanandro ny Kikuyu am-bava sy an-tsoratra, na amin'ny aterineto izany na any ivelany.
Ao Makedonia Avaratra, misy tanora sasantsasany nahavita nanangana orinasa mahomby nandritra ny valanaretina Covid-19
Tanora telo mpandraharaha avy ao Bitola, tanàna iray any atsimon'ny firenena, dia manome ohatra momba amin'ireo tanora niatrika ilay krizy COVID-19 tamin'ny fomba feno famoronana sy miabo.
Vondrona mitaky ny hamotsorana ireo mpikatroky ny Mother Nature mpiaro ny tontolo iainana
"Tokony ho deraina ny asa izay ataon'ireo mpikatroka mafàna fo fa tsy ho hosakanana", ary tokony ho henoina ny feon'izy ireo fa tsy hampanginina."
Toa hoe notapahan'ny polisy ny dreadlock an'ny tovovavy rastafariàna iray, ka manontany tena ireo Jamaikana raha tena nafahana tokoa ry zareo?
Efa ratsy ara-tantara ny fitondràna an'ireo rastafariàna ao Jamaika, ary niteraka ireo olana tsy voavaha ny fanapaham-bolo an-kery nanjo ilay tovovavy.
Hira maneho ny feon'ny vahoaka voarara any Nizeria sy Ogandà
Niafara tamin'ny fanasaziana sy/na fandrarana azy ireo tanteraka Ireo hiran'ny tarika sy mpitendry mozika malaza voarara ireo, na dia neken'ny manampahefana tamin'ny voalohany aza.
Mpianatra Turkmen: Nandositra an'i Okraina rotidrotiky ny ady
Nandritra ny andro vitsivitsy voalohany tamin'ny ady nataon'i Rosia tamin'i Okraina, tena tsy nisy ny fanampian’ny masoivohon'i Turkmen tamin'ny famindra-toerana ireo mpianatra sy ny olom-pirenena.
Mpanao gazety sady mpikatroka pelaka Azerbaijani nisy namono
Niteraka hatezeram-bahoaka tao amin'ny sehatry ny tambajotra sosialy i Hafizli, ka maro ireo mpikatroka nitsikera ny tantaran'ny tsy fandraisana andraikitra tao Azerbaijan rehefa miresaka momba ny heloka bevava amin’ny fankahalana, indrindra indrindra. ireo mikendry vondrona voahilikilika ao amin'ny firenena.