Tantara mikasika ny Afrika Mainty
Mpankahala pelaka ve ny 90 isanjaton-dry zareo Keniàna?
Mety ho azo atao ve ny hoe ireo hetsika fitarihana avy amin'ny any ivelany ataon'ny Tandrefana no hitarika ireo firenena afrikàna toa an'i Kenya ho anaty ady ara-kolontsaina izay izy ireo ihany no hany hahafantatra izay ho fiafaràny?
Rotsak'orana sy tondradrano tsy nampoizina, ny fiantraikany tamin'ny fambolena sy fiahiana ara-tsakafo tao Kenya
Rotsak'orana niteraka fahavoazana goavana tany amin'ireo distrika 42 amin'ny 47 tao Keny. Nairobi renivohitra, Homa Bay, Kajiado, Mandera ary Nakuru no tena voa mafy indrindra tamin'ireo tondradrano
Enjehina noho ny ‘fanakorontanam-bahoaka’ ireo mpikatroka mpomba ny demaokrasia any Zimbaboe
Nanameloka ny fanorisorenana, ny fandrahonana ary ny fanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny demôkrasia ireo ny Kofi Annan Foundation, ary mandrisika ny manampahefana hanaja ny paika ara-pitsarana.
Nalaky loatra ve ny nanadinoan'i Namibia ny fandripahana?
Nahoana no ela be taorian'ny fahaleovantenany i Namibia vao mahatsiaro ilay fandripahana namoizany ny efa ho 76 isanjaton'ny vahoaka Nama sy Ovaherero?
Fotoana vitsivitsy manantantara tamin'ny Lalao Ôlaimpika 2024
Raha mitaha amin'ireo firenena afrikàna hafa, i Kenya no mitana ny laharana voalohany tao anatin'ny fàfan'ny fahazoana medalin'ny Lalao Ôlaimpika 2024 tao Parisy, nahazo medaly 11 (4 volamena, 2 volafotsy, 5 alimo), arahan'i Afrika Atsimo nahazo medaly 5 (1 volamena, 3 volafotsy ary 2 alimo)
Ao RDC, rehefa atambatry ny “nionsologie” ireo milaza ho mahay ny zavatra rehetra
Ao amin'ny Repoblika Demaokratikan'i Kôngô (RDC), mankahatra ny lojikan'ny fahalalàna ireo "sarintsarina sôsialista" ka milaza "ho mahay ny zavatra rehetra" amin'ny famenoana ny tambajotra sôsialy amin'ny fanehoankevitra tsy mitombona aroson-dry zareo
Hirika tsy fahita firy ho ana Afrikàna iray mpanao gazety izany hoe hanao fandrakofana ny Lalao Ôlaimpika izany, tafa niarahana tamin'i Daniel Dodjagni
Ho an'ny fandraisany anjara voalohany amin'ireo Lalao Ôlaimpika, ilay Tôgôley mpanao gazety, Daniel Dodjagni, no manazava amin'ny Global Voices ny tombony entin'ny fanotronany JO amin'ny asany
Fijerin'ireo Afrikàna mpanao gazety ny Lalao Ôlaimpika Parisy 2024
Any amin'ireo Lalao Ôlaimpika ao Parisy, Afrikàna atleta, nefa koa mpanao gazety izay afaka mitondra fomba fijery hafa momba ireo fifaninanana, no misolo tena ilay tanibe
Enjehina ao amin'ny media sosialy i Chidimma Adetshina mpilatro, ary ity ny antony
Misy ny tahotra eo amin'ny olom-pirenena Afrikana Tatsimo fa miditra hangalatra ny asany sy hanao heloka bevava, izay tsy tohanan'ny zava-misy na angon-drakitra mihitsy, ny vahiny, Afrikana mpifindra monina ny ankamaroany.
Ireo atleta Afrikanina mailaka indrindra jerena amin'ny lalao olaimpika Paris
Fantatra amin'ny fanjakazany amin'ny hazakazaka lavitr'ezaka i Etiopia sy Kenya ary mikendry ny hametraka marika amin'ny hetsika fifaninanana hazakazaka hafa.