· Jona, 2012

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Jona, 2012

Shina: Noteren'ireo Mpiasam-panjakana Mpanao Kolikoly Hanala Zaza Nefa Efa Tara Loatra

  29 Jona 2012

Nieli-patrana manerana ny fampahalalam-baovao sosialy sy ny sehatra fitorahana bilaogy kiritika ka niteraka fenehoan-kevitra an-katezerana ny sarinà vehivavy iray tao amin’ny faritanin’i Ankang Shaanxi, ao Shina noterena hanala zaza tamin’ny fotoana efa tara. Mpitranga matetika ny karazan-javatra toy izao saingy tsy vitan’ny lalàna sinoa ny manafay ireny fihetsika ireny. Izany no antony mahatonga ireo mpanankarena mandao an’i Shina.

Shina: Li Wangyang Gadra Politika Noho Ny Raharaha Tiananmen, Hita Maty Nihantona

  13 Jona 2012

Li Wangyang, Shinoa iray gadra politika izay nandany betsaka tamin'ny androm-piainany tany am-pigadrana, dia hita maty ny marainan'ny Alarobia 6 Jona 2012, taorian'ny resadreska nataony ho an'ireo mpampahalala vaovao avy any ivelany mikasika ny vonomokan'ny 4 Jona (Kianja Tiananmen) tamin'ny 1989 sy ny fiainan'ireo gadra politika ao Shina. Ny fahafatesany dia niteraka ahiahy mikasika fitaka.

Shina: Avela Heloka Ny Mpandripaka Olona Tao Tiananmen?

  07 Jona 2012

Nandritra ny fotoana fiareta-tory fanao isan-taona tamin'ny 4 Jona 2012 tao Hong Kong no nanoratan'ilay mpitarika mpianatra teo aloha Chai Ling tao amin'ny Huffington Post fa efa navelany ny heloky ny mpamono olona nandritra ny fandripahana. Tsy manaiky izany ijoroan'i Chai Ling izany ny mpitarika mpianatra iray hafa Wang Dan ka namoaka fanambarana ampahibemaso izay niteraka adi-hevitra.

Shina: Ady Isan-taona Hanoherana ny Sivan'ny 4 Jona

GV Mpisolovava  06 Jona 2012

Omaly no fiaretan-tory fankalazana isan-taona amin'ny alàlan'ny fandrehetana labozia ny vonomokan'ny 4 Jona tao Hong Kong. Manerana ny sisintanin'ny tanibe Shina, dia datin'andro ho an'ny sivana aterineto izy ity. Ilay fepetran-tsivana dia ny fitatavanana ireo tena mafampàna mifandray aminà isa, fotoana, fahatsiarovana, terna, fikambanana ary anarana, araka ny lisitra nomen'i...