· Febroary, 2019

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Febroary, 2019

Shina: Fampitandreman'ny Sina Weibo an'ny Deutsche Welle

GV Mpisolovava  25 Febroary 2019

Noterena "hiseho amin'ny endrika hafa" ny kaonty Sina Weibo ofisialin'ny Deutsche Welle tamin'ny 13 Novambra 2011. Fanasaziana mahazatra fanaon'ny Sina Weibo ny famafana ny kaontin'ny mpiserasera namoaka "lohahevitra saro-pady". Raha mikiry mbola hijanona ao amin'ny Weibo ilay mpiserasera, dia tsy maintsy manokatra kaonty vaovao izy ary manangona mpanjohy vaovao indray, antsoin'ny mpiserasera Shinoa hoe "fisehoana amin'ny endrika hafa indray (re-incarnation) izany.

Fomba fiasa vaovaon'ny Google ao Shina

GV Mpisolovava  20 Febroary 2019

Namoaka fanambarana ofisialy ny Google lnc omaly fa tratran'ny fanafihana antserasera avy any Shina ny orinasa. Niezaka niditra tamin'ny kaonty Gmail an'ireo mpikatroka ny zon'olombelona Shinoa ireo mpanafika. Nilaza ny orinasa fa hiresaka amin'ny governemanta Shinoa momba ny fomba hiasan'izy ireo tsy misy sivana any Shina izy ireo.

Shina: Voaisotra sy voasakana ireo tranonkala tsy nahazo alalana

GV Mpisolovava  16 Febroary 2019

Vao haingana ny Minisiteran'ny Indostria sy ny Teknolojian'ny Fampahalalam-baovao (MIIT) no namoaka filazana mikasika ny hetsika manokana momba ny fahazoan-dàlan'ny tranonkala ary nangataka tamin'ireo mpamatsy tolotra aterineto (FAI) rehetra mba hanakatona ireo tranonkala tsy manana fahazoan-dalana hamatsy votoaty amin'ny aterineto (ICP) alohan'ny 24 febroary 2009 amin'ny 4 ora hariva.