Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Tantara mikasika ny Hong Kong (Shina)

Inona no miandry an'i Hong Kong amin'ny 2021?

Fisamborana faobe, fibahanana tranonkala aterineto, fahataperan'ny fahalalàhan'ny fitsaràna, ankoatra ny zavatra hafa, no toa manangasanga ao Hong Kong ho an'ity taona ity.

[FAMERENANA] ‘The Milk Tea Alliance': Thailandy, Taiwan ary Hong Kong miray hina hitolona ho amin'ny demaokrasia

Tsy nahatratra ny fandefasana mivantana ny webinar [seminera-web] Global Voices Insights momba ny "Milk Tea Alliance"? Indro ary ny famerenana azy ho hitanareo.

Nandresy tamin'ny safidin'ny olona tamin'ny loka Beazley Designs ny ‘Andohalambom-biriky’ nataon'ny mpanao fihetsiketsehan'i Hong Kong

Rafitra bitika nampiasain'ny mpanao fihetsiketsehana ao Hong Kong ho barazy hampihena ny hafainganam-pandehan'ny fiaran'ny polisy ny biriky mahazatra.

Ny 29 Janoary, miaraha mivantana aminay amin'ny ‘The Milk Tea Alliance: Tolona iraisan'i Thailand, Taiwan sy Hong Kong hisian'ny demaokrasia’

Tongava hiaraka aminay ao anatin'ny adihevitra iray mavitribitrika momba ny fiantraikan'ny hetsika iraisan'ny firenena roa na vitsivitsy, itambaran'ireo firenena ao Azia mitolona hisian'ny demaokrasia

Fisamborana faobe ireo nandray anjara tamin'ny fifidianana savaranonando pro-demaokraty tao Hong Kong tamin'ny Jolay 2020

Nahazo ny didin'ny fitsarana hanolotra ny antonta-taratasy mifandraika amin'ny famotoran'ny polisy ireo seha-baovao maro pro-demaokraty

Tamberina 2020: Ahoana ny nahatonga ny voina nateraky ny COVID-19 ho lasa tantaram-pahombiazan'ny maodely shinoa

Niandoha tamin'ny alalan'ny fiparitahan'ny COVID-19 tao Wuhan ny taona 2020. COVID-19 no lohahevitra be mpiresaka indrindra nandritra ny taona tao amin'ny media sosialy shinoa.

Lasa mpirafy ve i Beijing sy Carrie Lam avy ao Hong Kong?

Nikomy tamin'i Carrie Lam, lehiben'ny mpantanteraka, ny ankolafy mpomba an'i Beijing tao Hong Kong, tamin'ny fampiasàna ho antony ny tsy nahavitàn'ny tanàna nifehy ny fiparitahan'ilay valanaretina COVID-19.

Fialàna faobe nataon'ny mpanoratra an-gazetin'ny Hong Kong TV rehefa voaroaka ny 40 amin'ny mpiara-miasa amin-dry zareo

Notononin'ny famoaham-baovao ho antony ara-bola ny anton'ny fandroahana, filazana izay tsipahin'ny ekipan'ny efi-panoratana satria hitan-dry zareo ho politika no ao ambadika.

Mampitandrina ny mpilalao “Animal Crossing” ny Nintendo: Atsaharo ny fanaovana politika raha tsy izany ho rarana ianao

Nampiasaina ho toy ny sehatra hanehoana hevitra politika ny lazan'ny Nintendo farany, ary tsy mahita lafy tsarany sy tombony amin'izany ilay orinasa goavana Japoney amin'ny lalao video.

Porofo vaovao mampiseho fa nampian'ny polisin'i Hokg Kong i Shina hisambotra ireo mpikatroka 12 nandositra tany Taiwan

Ny 23 Aogositra, nandositra tamin'ny alàlan'ny sambo haingam-pandeha niala an'i Hong Kong ho any Taiwan ireo mpikatroka, toerana tokony nahazoany fialokalofana, saingy nosamborin'ireo mpiandry morontsiraka shinoa ary ankehitriny tazonina ao Shenzen.