Tantara mikasika ny Ady & Fifandirana
Voakiana ho manampim-bava ny fitantaràna mpomba ny Palestiniàna ireo goavan'ny teknôlôjia
Ampangaina ho maneritery ny feon'ireo ao Palestina ireo sehatra media sôsialy. Miteraka ahiahy momba ny fiantraikan'ny adihevitra demaokratika sy ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra manerana izao tontolo izao
Gaza : fitantaràna ady nahafatesana mpanao gazety betsaka indrindra
Ny fanafihan'i Israeliàna amin'izao fotoana izao no lasa ho ny fifandonana nahafatesana mpanao gazety betsaka indrindra voarakitra an-tsoratra hatreto.
Mafy lavitra noho izay asehon'ny fahitalavitra ny fiainana ao Gaza
Tapa-bolana lasa izay, nisotro rano aho ary dia mbola marary foana izao ny kiboko. Noheverina ho azo nosotroina ilay rano, tahaka ny niheverana koa hoe azo iainana ao Gaza
Fiainana ambany fifehezan'ny tafika any amin'ny tanàna lehibe indrindra ao Myanmar
"Sondro-bidim-piainana, tsy fahampian'ny entana ilain'ny mpanjifa andavanandro, fahatapahana herinaratra tsy laitra ary onjana heloka bevava miharo halatra, herisetra sy sinto-mahery izao no lasa ampaham-piainana any an-tanàndehibe."
Handray anjara amin'ireo Lalao Olaimpika fa amin'ny anaran'ny tenany, tsy miandàny, ny sasany amin'ireo Rosiàna sy Belarosiàna atleta
Tany am-boalohany, fanasàna niisa 36 no voarain'ireo Rosiàna atleta avy amin'ilay kaomity, ary 27 ny an'ireo Belarosiàna atleta. Kanefa, ny sasany tamin'ireo nasaina no nandà avy hatrany na nanaiky aloha dia avy eo nandà indray
Ady amin'ny olontsotra: Fomba fanakendàn'ny fandraràna VPN ataon'ny ‘junta’ amin'ny fifandraisana ao Myanmar
"Tsy tokony hataon'ny olona ho ambanin-javatra ny zavatra ataon'ny fitondràna. Etsy ankilan'izay, tsy tokony ho resin-tahotra amin'ny tsy misy antony ry zareo. Tsy ho vitan'ny fitondràna ny hanara-maso ny zavatra rehetra."
Nanakatona ny departemanta siansa politika ao aminy ny iray amin'ny oniversite liberaly ao Rosia
Rehefa tonga ny fanafihana feno an'i Okraina tamin'ny Febroary 2022, maro amin'ireo oniversite liam-pandrosoana teo aloha no nandray fepetram-politika fandalàna nentin-drazana noho ny faneren'ny fanjakana na noho ny fanapahan-keviny manokana
Fiodinana jeôstratejika: Nisintaka tsy ho ao amin'ny CEDEAO i Borkina-Fasô, Mali ary Nizera
Borkina-Faso, Mali ary Nizera, nisintaka tsy ho anisan'ny Communauté Économique des États de l'Afrique de l'Ouest (CEDEAO / ECOWAS) intsony, taorian'ny niampangàn'ilay andry ireo fanonganam-panjakàna nataon'ny tafika
Fandinihana ny lasan'i Nepal: Tafatafa nifanaovana tamin'ilay mpanao gazety sady mpanoratra Mohan Mainali
Niantsafa an'i Mainali tamin'ny alàlan'ny mailaka ny Global Voices mba hijery ny maha-zava-dehibe ny toe-javatra ara-tantara amin'ny famolavolana ny hoavin'i Nepal ary hanainga kokoa ny fankasitrahana ny vakoka maro ao amin'ny firenena.
“Dòm-boninkazo” itakìn'ny olom-pirenena ao Myanmar ny famotsorana ilay mpitarika Aung San Suu Kyi
"Te-hisaotra azy aho naharitra hatramin'izao ary maniry azy ho ela velona sy ho salama ka mba hahita ny fandresen'ny revolisiona."