Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Novambra, 2015
Vary Nendasina Sy Atody, Endriky Ny Andro Fanolorana Fisaorana Ho An'ny Shinoa
"Dimy amby enimpolo taona lasa izay, lovia iray nisy vary voaendy sy atody no nanova ny tantaran'i Shina. Raha tsy nisy an'io lovia io dia mety ho lasa Korea Avaratra isika (na dia efa lasa mitovy ihany aza ny roa tonta)."
Hitan'ny Facebook ho nisavoana ny fangatahan'ny governemantan'i Hong Kong ny rakitahirin'ny mpiserasera
"...Saingy miharihary fa tsy manana fomba hamantarana ny marina ny vahoaka amin'izao fotoana izao. Tsy fantatray raha voamarina ny antony nomen'ny governemanta..."
Mamely Indray Ny Avaratra-Atsinanan'i Shina Ny Airpocalypse
Rakotra setroka mampidi-doza ireo tanàndehibe maro ao Liaoning, isan'izany ny renivohiny, Shenyang, izay tonga amin'ny fetra farany ambany ny firaketana ny kalitaon'ny rivotra ao an-toerana, in-130 voatilin'ny Fikambanana Iraisampirenena misahana ny Fahasalamàna (OMS) ho ambanin'ny refy heverina fa tsy mampidi-doza.
Tantara an-tsarimiaina ‘South Park’ Nampiseho Ny Filohan'i Shina Manoroka Vehivavy. Iza Io Vehivavy Io?
Niahiahy ireo Shinoa mpankafy ny tantara an-tsarimiaina South Park, fa mety ho voaràra ny tantara noho i Xi Jinping manoroka vehivavy miteny Koreana izay tsy vadiny amin'ny fiafaran'ny tantara.
Namorona Ny Tafika Mpirotsaka An-tsitrapo Ao Amin'ny Aterineto Ny Nasiônalista Shinoa “Papango”, Hanohitra ireo “Hery Fahavalo”
Ho fanampin'ny mpirotsaka an-tsitrapo ho an'ny fanovàna, ny Ligin'ny Tanora Kaominista Shinoa ao amin'ny Aterineto, mizaka tena samirery ihany koa ny nasiônalista elatra havanana, nanangana ny tafika mpirotsaka an-tsitrapo ao amin'ny Aterineto mba hanindrahindra ireo heviny sy hanapim-bava ireo tsikera.
Mety Hoe Ara-dalàna izany Ankehitriny, Saingy Tsy Vitan'ireo Shinoa Intsony Ny Mbola Hiteraka Zaza Faharoa Na izany Aza
Nambaran'i Shina tamin'ny faran'ny Oktobra teo ny fanafoanany ny politikan'ny zaza tokana. Maro ireo Shinoa mpisera ety anaty aterineto no tsy dia faly tamin'ny fandraisana ilay vaovao.
Miaro ny Fitiavan-tanindrazana Ilay Talen'ny Famoahana Amin'ny gazety Shinoa Mpanadrohadro – Global Times – Tao Amin'ny Tafatafa Vaovao
Niampanga ny fampiasana be ny hoe “mpangalatra tia tanindrazana" i Hu Xijin, fa nisy ireo mpisera amin'ny Aterineto sasany nilaza fa mampiseho ny fomba sasany fisehon'io teny io mihitsy izy.
Mpiandry Raharaha Ao Amin'ny Firenena Shinoa Mandrisika Ny Olona Hitoroka Ireo Ahiahiana Ho Mpitsikilo
Petrakevitr'ireo mpisera ety anaty aterineto ny hoe natao hamafy saritaka eny anivon'ny Shinoa ilay fiandrasana raharaha. " Savaranonando ho amin'ny Revolisiona ara-Kolontsaina ve", hoy ny iray mpampiasa Weibo.
Miahiahy ny mpiserasera fa natao hamalifaliana ny manampahefana shinoa ilay Lokan'ny Fandriampahalemana Confucius mampiady hevitra
Tsy manana ifandraisany amin'ny loka, izay nanolotra izany tamin'ny filohan'i Zimbabwe, Mugabe, tamin'ity taona ity ny governemanta shinoa. Saingy tsy nanakana ny fanivanana ireo fanehoan-kevitra mitsikera sy ireo mitabataba amin'ny antoko komonista izany.