· Novambra, 2009

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Novambra, 2009

Sina: Ny haintany sy ny tohodranon'i Three Gorges

  19 Novambra 2009

Nanomboka tamin'ny Septambra tamin'ity taona ity, ny tohodranon'i Three Gorges any Sina, ny tobin'herinaratra azo avy amin'ny rano lehibe indrindra eran-tany, dia nanomboka tetikasa famenoana mba hanatrarana ny fetran'ny tahiriny, 175 metatra. Tamin'ny Oktobra, nisy haintany mahery vaika tany amin'ny faritanin'i Hunan sy Jiangxi tamin'ireo faritra antonontonony sy iva miohatra amin'ny renirano Yangtze. Misy fifandraisany ve ilay tohodrano sy ny haintany?

Sina: Ranomandry vita sinoa

  13 Novambra 2009

Tamin'ny Alahady 1 Novambra lasa teo, nahita ny firotsahan'ny ranomandry lasa aloha indrindra tao anatin'ny 22 taona i Beijing. Ny fiovàn'ny toetr'andro tampoka, izay nandrakotra ranomandry ny tanàna manontolo, dia nahazendana mponina maro. Nefa taoriana kely dia nitatitra ny haino aman-jery fa ny birao mpanova toetr'andro ao an-toerana no nanao...

Shina: Fanavaozam-pifidianana

  02 Novambra 2009

Nanomboka niady hevitra ny amin'ny drafi-panavaozana ny lalam-pifidianana, mba hampitovy lanja ny vaton'ny any an-tanandehibe ny vaton'ny any ambanivohitra ny mpanao lalàna faratampony any Shina, ny Antenimieram-Pirenena entim-Bahoaka. Voapetraka hovakiana voalohany nandritra ny fivoriana fanao isan-droavolana faha-11 teo anivon'ny vaomiera maharitra tamin'ny herinandro teo ity volavolan-dalàna ity, izay mametraka fa...