Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Septambra, 2015
Ny Central Television Ao Shina, Tantànan'ny Fanjakana, Voatsikera Noho Ny Fakàna Tàhaka Ny Asan'ny Mpaka Sary Iray
Raha niampanga ny Central Television ao Shina ho naka ireo asa sariny, sarin'i Tibet, ny mpaka sary iray miasa ho an'ny tenany, nisafidy ny tsy hiraharaha ny fitakiany ny fizakàmanany ny fandaharana tantànan'ny fanjakana ary nampitahotra azy tamin'ny fandrahonana mihitsy.
“Nandositra” Ny Mpandraharaha Ambony Iray Ao Hong Kong. Manontany Ny Mpiserasera Shinoa hoe, Nahoana Kosa Izy No Tsy Tokony Handositra?
Tamin'ny lahatsoratra izay voafafa avy hatrany, nanaratsy an'i Li Ka Shing noho izy namindra ny fandraharahanany ivelan'i Hong Kong sy Shina tanibe ny mpandini-draharaha'ny governemanta Shinoa.
Tsy Eken'ny Firenena Mikambana Ny Pasipaoro Avy Ao Taiwan, Laviny Tsy Hiditra Ny Birao Ao Zeneva
Betsaka ireo teratany avy any Taiwan no nolavina tsy hahazo miditra ny biraon'ny Firenena Mikambana, taorian'ny nilazan'ilay mpandray vahiny fa antontan-taratasy tsy manankery ny pasipaoro navoakan'ny (ROC) Taiwan.
Hanihany Amin'ny Vata Fampangatsiahana, Mamazivazy Fitiavan-tanindrazana Tafahoatra Ao Shina
"Ho ela velona ny tanindrazana, iza no mahafantatra orinasa mivarotra vata fampangatsihana malalaka sy fisaka indrindra?"
Afa-manadio ny kolikoly any amin'ny orinasam-panjakana ao Shina ve ny fanomezana azy amin'ny tsy miankina?
Liu Shengjun,pahay toekarena malaza sady mpitari-kevitra, nonahasahy niantso ho amin'ny fanolorana ho an'ny tsy miankina ny orinasampanjakana, hevitra fady eo anoloan'ny fikirizan'i Shina amin'ny fananana iombonana.
Matson'i Shina Momba ny Ady Lehibe II : Manenjika Ireo Mpanakanto Tsy “Tia Tanindrazana” Ireo Mpandranitra
Nanaisotra ny sarin'ireo zanany kambana ny mpihira Taiwanezy teratany Amerikanina, Christine Fan, rehefa nahazo fankahalana nirarakompana tao anaty aterineto noho ny fizarany ny sarin'iretsy farany fa tsy ny an'ny matso ntaon'ny tafika.
Tsy Handefitra Zavatra Hafa Ankoatry Ny Fiderana Ny Fampisehoany Ny Matson'ny Ady Lehibe Faha-II.
"...ireo vaovao rehetra sy ireo fanehoan-kevitra mifandraika amin'ny matson'ny miaramila dia tsy maintsy jerena am-pitandremana fatratra vao alefa mba ho antoka fa mandoka sy tsy hanohitra..."
Tsy Tany Kairo Nanatrika Ny Kaonferansa Momba Ny Ady Lehibe Faharoa Ny Filoha Mao. Koa Nahoana Ny Sariny No Ao Anaty Afisin'ilay Sarimihetsika?
Maro no mino fa nampiasain'ny Filoha Xi Jinping ny "Fanambaràn'i Kairo" sy ny matso miaramila amin'ny 3 Septambra mba hamerenana manoratra ny tantaran'ny firotsahan'ny Antoko Kaominista Shinoa tamin'ny ady nanosehana ny Japoney.
Sivana Nihatra Taminà Sary Mahatsikaiky, Fikarohana Teny Sy Sary Momba Ny Matson'i Shina Ho An'ny Ady Lehibe Faharoa
Raha faran'izay tena miabo/manindrahindra ireo fanehoankevitra hitamaso, ireo lahatsoratra izay nesorina sy nasitrika kosa tao amin'ny FreeWeibo.com dia nampiseho sary hafa ahitàna ny mpampiasa azy naneso ilay vanim-potoana tamin'ny alàlan'ny sary mahatsikaiky.