Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Febroary, 2012

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Febroary, 2012

25 Febroary 2012

Ankapobe: Fiaretan-tory Ho Fiaraha-Mientana Amin'ny Tibetana

Hatramin'ny Febroary 2009, 23 ny Tibetana nandoro tena ho endrim-pihetsehana anafahana an'i Tibet sy ny fiverenan'ny Dalai Lama. Mandritra ny taombaovao Tibetana, mampiseho ny fanohanany ny Tibetana amin'ny alalan'ny hetsika sy ny fivavahana ny mpikatroka manerantany.

20 Febroary 2012

Shina: Mitohy Ny Fifidianana Ao Wukan Ary Mampangetaheta

Haingana be ny fikisahan'i Wukan tamin'ny fizorany ho any aminà fifidianana tsy mitanila sy mangarahara, nahatonga aingam-panahy ho an'ireo vohitra sasany tao amin'ny firenena no sady nahazo ny fanohanan'ireo mpampiasa bilaogy kiritika hatrany an-dalantsaran'ny anjerimanontolo. Na izany aza, raha kely indrindra dia iray amin'ireo mpiasa ambony ao amin'ny governemanta foibe...

18 Febroary 2012

Hong Kong, Shina: Fifanarahana Fahazoan-dalana Ny Vahiny Hitondra Fiara Miteraka Tahotra sy Hatezerana

Niakatrakatra ny fifanenjanana teo amin'i Hong Kong sy i Shina tanibe tao anatin'ny volana vitsivitsy izay. Raha maharomotra ny  gidragidra madinika, tahaka ny rombo tanaty fiaran-dalamby, dia niteraka sahotaka sy fahatezerana teo amin'ny mponin'i Hong Kong ny nanasoniavan'ny fitondrana ao Hong Kong sy ny fitondrana ao Guangdong tsy nisy fakana ny hevitry...

13 Febroary 2012

Shina: Vady sy Zanaky ny Mafàna Fo Iray Anaovana Antsojay Ety Enaty Aterineto

GV Mpisolovava

Mpampiasa Twitter iray tsy nitonona anarana no namoaka ny mombamomba manokana ny vadin'i Wen Yunchao, sy ny zanany lahy tety anaty aterineto. Bilaogera sy mafana fo tsy zoviana amin'ny ady hisian'ny fahafaha-miteny malalaka eny anivon'ny aterinto Sinoa i Wen ary niharan'ny niharan'ny fanenjehana noho izany

12 Febroary 2012

Shina: Mikasa Hitarika Ny Sehatra Fitoraham-Bilaogy Bitika ny Antoko Kaominista Sinoa

GV Mpisolovava

Any Shina, eo ambany fiahian'ny Antoko Kaominista Sinoa (CCP) mivantana avokoa ireo fitaovana media mahazatra rehetra. Misy mpitan-tsoratry ny CCP dia napetraka isaky ny fikambanana media mba hanara-maso ny votoaty sy hanome ny zotra arahana ho an'ireo mpamoaka sy mpitatitra momba ny zavatra mila asongadina sy sivanina

11 Febroary 2012

Shina: Niteraka Fankalazana sy Alahelo Ny Veto Momba an'i Syria

Nifidy ho amin'ny tombotsoany manokana i Rosia sy i Shina omaly tamin'ny fanoherana mampiady hevitra nataon'izy ireo tamin'ny volavolam-panapahan-kevitra tao amin'ny Vaomieran'ny fandriampahaleman'ny Firenena Mikambana miantsony filoha Syriana Bashar al-Assad hampitsahatra ny famonoan'olona ataony ao amin'ny firenena, volavolam-panitsiana ny drafitra teo aloha miantso an'i Assad hiala amin'ny fitondrana. Nohamarinin'i Shina ny fanapahan-keviny...

09 Febroary 2012

Boky Vaovao Momba Ny Ady Erantany Ho An'ny Fahalalahan'ny Aterineto

GV Mpisolovava

Fomba ahoana no hahazoana antoka fa hoe ny aterineto dia mivoatra mankany amin'ny làlana iray hifanindran-dàlana amin'ny demaokrasia? Ary ahoana no fomba hahatonga antsika ho "mpiondana aterineto" mandray andraikitra ho an'ny hoaviny ara-dizitaly? Io no lahahevitra nofinidin'i Rebecca McKinnon ho an'ny boky vaovao nosoratany: "Fifaneken'ireo mpifandrohy: Ady Erantany ho an'ny...

08 Febroary 2012

Hong Kong, Shina: Noesoesoin'ny Mpiserasera ny Oniversiten'i Hong Kong

Noforonin'ny mpisera iray indray ny fangon'ny "University of Hong Kong" handrabirabiana ny fahazato taonany tamin'ny herintaona, nampifanarahana fa hitontona amin'ny fandalovan'ny premier Li Keqiang tao Hong Kong.

06 Febroary 2012

Mongolia: Tsy Misy Zavamiaina Tavela Aorian'ny Fitrandrahana

Mampanantena ny tetikasa fitrandrahana maro ao Mongolia  fa hampandroso ny foto-drafitrasa ara-tsosialy sy ara-toekarana ao an-toerana ary  hoentina hiadiana amin'ny fahantrana koa izany, saingy rehefa nandeha ny fotoana, dia mahatsiaro ireo vondrom-bahoaka eny amin'ny faritra  akaiky ny toby fitrandrahana  fa misy fiantraikany ratsy eo amin'ny tontolo iainanany sy ny fomba fivelomana...

05 Febroary 2012

Lahatsary Misongadina: Mozika, Tetikasa Ho An'ireo Zanatany, Hatezerana Ary Zava-mahagaga

Lisitr'ireo tantara vao haingana sy mahaliana ka anisan'izany ireo lahatsary avy any Amerika Latina, Azia Antsinanana, Afrika Antsinanana Afovoany sy Avaratra ary Eoropa Antsinanana sy Afovoany, nofantenan'i Juliana Rincón Parra.