Tantara mikasika ny Hafanàm-po nomerika
Voakiana ho manampim-bava ny fitantaràna mpomba ny Palestiniàna ireo goavan'ny teknôlôjia
Ampangaina ho maneritery ny feon'ireo ao Palestina ireo sehatra media sôsialy. Miteraka ahiahy momba ny fiantraikan'ny adihevitra demaokratika sy ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra manerana izao tontolo izao
Ao Tiorkia, tafa an'arabe nandefasana olontsotra iray ho any am-ponja
Ny "faniratsiràna filoha" sy "fandrisihana fifankahalàna ary fifandrafesana eny anivon'ny vahoaka" no roa isan'ireo vesatra mahazatra anenjehan'ny governemanta ao Tiorkia ireo mpitsikera.
Tsy ny filoha ihany no hitondra mandra-maty ao Azerbaijan, fa ny parlemanta koa
Na inona na inona endrika taloha mbola hijanona ao amin'ny parlemanta, na hosoloin'ny zanany, dia tsy hisy akony firy amin'ny hoavin'ny firenena ny vokatry ny latsa-bato parlemantera ho avy
Hamantatra an'i Kensa Broadhurst: Fanontaniana&Valiny niarahana tamin'ny mpikatroka iray ho an'ny fiteny Kôrnika
Mihamitombo ny fahitàna ny fahasamihafàn'ny fiteny ao Eorôpa. Ny fanentanana @EuroDigitalLang an'ny Rising Voices dia manasongadina ireo fitantaràna avy amina mpikatroka iray ho an'ny fiteny, izay hizara ireo hetsika nomerika natao ho an'ny fiteny Cornish.
Fomba telo hiatrehana ny zo nomerika ao Afrika
Ireo tranga toy ny nandraràna ny X (Twitter taloha) ao Nizerià sy ny faneriterena ny fidirana aterineto ao Senegal no mampiseho hoe hatraiza ny fanohintohinan'ny fanjakàna ny fahalalahan'ny olompirenena ety anaty tambajotra
Jamaika, namiratra nandritra ny Loka Asa Fanaovana Gazety ho an'ny Rariny ara-Toetrandro tao Karaiba ny Repoblika Dôminikàna sy Goiàna
"Fo mampitempo izany rehetra izany, ny olona. Mifamatotra amin'ny zo maha-olona ny rariny ara-toetrandro"
Ahoana no andoavan'ny governemantan'i Maduro vola hampiroboroboana propagandy sy fandisoam-baovao ao Venezoelà
Mivelatra an-tambajotra sosialy ny propagandy ofisialin'ny governemantan'i Nicolás Maduro noho ny asan'ny olom-pirenena izay mandray vola avy amin'ny governemanta mba hampivadika ny fironana ao amin'ny X, Facebook ary Instagram.
Fantaro ny Biraon'ny teny Jèrriais: F&V iarahana amin'ny ekipa mampiroborobo ny teny Jèrriais
Miha-mahita ny toerany antserasera ny fahasamihafan'ny fiteny any Eoropa. Ny fanentanana @EuroDigitalLang an'ny Rising Voices dia mampiseho fitantarana avy amin'ireo mpikatroka fiteny izay hizara hetsika nomerika miasa amin'ny fiteny Jèrriais.
Loka, fitafy maka tahaka, sy fialamboly miavaka hafa nandritra ny fifidianana sarintsariny nataon'i Poutine
Mila olona hakany amin’ny biraom-pifidianana ny fitondrana ankehitriny mba hanehoana ny maha ara-dalàna ny fitondrana ao anatin'ny firenena. Nitady fomba hanaovana 'fialam-boly' izay hahasarika ny olona hifidy noho izany ireo manampahefana.
Resadresaka nifanaovana tamin'i Joel Schalit, mpanao gazety israeliana-amerikana: ‘Tian'ny governemanta israeliana hatsahatra amin'ny fomba ofisialy ny demokrasia’
Nitafa tamin'i Joël Schalit, mpiara-manorina ny The Battleground, momba ny adin'i Israely amin'i Gaza ny Global Voices. Mpanao gazety Israeliana-Amerikana i Schalit, mitantara ny politika Eoropeana sy Afovoany Atsinanana, isan'izany ny ho an'ny media Israeliana.