Hetsika tsy nahazoana alàlana tany amin'ny fiantsonan'ny metro tao Hong Kong, niafara tamin'ny fanafihan'ireo polisy mpandrava korontana tamin'ny alalan'ny langilangy sy tsifotra misy dipoavatra
Famintinana andian-dahatsoratra maro ity lahatsoratra ity – Miparitaka manerana an'i Hong Kong ny herisetra satria ‘nanao tifitra fampitandremana’ ny polisy tamin'ny 1 Septambra ary ny HKFP Lens: manasazy amin'ny alalan'ny basirano, entona mahalatsa-dranomaso ny polisin'i Hong Kong raha toa kosa nanipy cocktail Molotov tao amin'ny biraon'ny governemanta ireo mpanao fihetsiketsehana ary mitifitra rano miloko manga ny kamiaon-dranon'ny polisin'i Hong Kong fa manafika ny biraon'ny governemanta ireo mpanao fihetsiketsehana – navoakan'ny Hong Kong Free Press teo anelanelan'ny 31 Aogositra sy ny 1 Septambra 2019. Naverina navoaka teto amin'ny Global Voices noho ny fifanarahana fifampizaràna votoaty.
Nipoaka nanerana an'i Hong Kong ny fifanandrinana mahery setra taorian'ny nihantsian'ireo olona an'arivony maro ny fandraràna nataon'ny polisy sy nivoriany tsy “nahazo alàlana” tamin'ny faran'ny herinandron'ny 31 Aogositra 2019.
Ny Mandatehezan'ny Zo Sivily no nanomboka ity famoriambahoaka ity mba hamerenana ireo fitakian'ny hetsika fanentanana miady amin'ny fanolorana olo-meloka sy mba hiampangàna ny fitsabahan'i Beijing ao anatin'ny fanavaozana ara-politikan'i Hong Kong. Zava-dehibe izany daty izany satria manamarika ny fitsingerenan'ny faha-5 taonan'ny fanapahankevitry ny Kaomity Maharitra an'ny Kaogresim-bahoaka Nasionaly izay nikendry ny fametrahana fitaovana fanivanana ho an'ireo fifidianana izay ho lehiben'ny mpanatanteraka ao Hong Kong amin'ny ho avy.
‘Diabe fivavahana ho an'ireo mpanota’
Taorian'ny nandavan'ny polisy ny hamoaka fanomezana alalana, na voatery aza ny CHRF hanajanona ilay diabe nokarakaraina tamin'ny fomba ofisialy, nihantsy izany fandraràn'ny polisy izany ny olona an'arivony ary nivondrona tao Southorn Playground any Wan Chai mba hanao “diabe fivavahana ho an'ireo mpanota” .
Nanambara tamin'ny HKFP i Christopher Yeung, tanora katôlika iray izay nitarika ilay diabe, fa tsy hetsipanoherana ilay diabe fa fivoriana ara-pivavahana. Araka ny didy fanapahana Fitantanana ny Filaminam-bahoaka, tsy mila ny fanomezan-dalan'ny polisy ny hetsika ara-pivavahana raha latsaky ny 30 ireo mpandray anjara.
Saingy olona an'aliny no nipoitra tao Southorn Playground ary nankany amin'ny birao foiben'ny polisy tany am-piandohan'ny tolakandro, avy eo nankany Admiralty sy Central. Nihanitombo ireo olona niaraka taminy, izay niteraka ny fitsaharan'ny fifamoivoizana teny amin'ireo lalambe nampitohy an'i Causeway Bay sy Central. Nanangana faneva mavo ireo polisy tany amin'ny toerana maro mba hampitandremana ireo vahoaka marobe hoe mandika lalàna izy ireo ary mety ho henjehana. Fa mbola nanohy ny diabeny teny an-dalana ihany ny olona.
Herisetra mihoa-pampana: kibay sy tsifotra dipoavatra tao anaty fiaran'ny metro

Tafondron-drano miaraka amin'ny rano miloko mba hahafantarana ireo mpanao fihetsiketsehana. Sary: May James/HKFP.
Tany amin'ny manodidina ny 05h30 hariva tany no niala ny ankamaroan'ireo mpanao fihetsiketsehana ary nipoaka ny fifanandrinana mahery setra raha toa ka niezaka ny hanafika ny Filankevitry ny Antenimiera mpanao lalàna ireo mpanao fihetsiketsehana hiringiriny. Nandefa entona mahalatsa-dranomaso ny polisy mpandrava korontana no sady nandefa basirano raha toa ka nanipy zavatra ho amin'ny laharan'ny polisy kosa ireo mpanao fihetsiketsehana, indrindra fa cocktail Molotov.
Ilay fipoahan-javatra tamin'ny Sabotsy dia nitranga iray andro taorian'ireo fisamborana faobe natao an'ireo mpikatroka sy olomalaza amin'ny politika noho ireo fandikandalàna nifandray tamin'ny fitarihana, fikarakarana na fandraisana anjara tamina fivoriana tsy nahazoana alalàna. Nahitana ny solombavambahoaka mpandàla ny demaokrasia Cheng Chung-tai, Au Nok-hin sy i Jeremy Tam, ary hatramin'ireo mpikatroka Joshua Wong, Agnes Chow sy Andy Chan, mpamorona ilay antoko voarara mpandala ny fahaleovantena ao Hong Kong, teo anivon'ireo olona tafavory teo.
Rehefa tonga ny alina, nandroso tamin'ny làlana Hennessy Road ny polisy mpandrava korontana. Teo akaikin'ny birao foiben'ny polisy, nanao afo niredareda ireo mpanao fihetsiketsehana, izay matin'ny borigadin'ny mpamono afo ihany nony farany.
Teo amin'ny manodidina ny 9:30 alina teo, nanomboka nisambotra ireo mpanao fihetsiketsehana ny polisy. Nisy polisy nifitafy toy ny sivily nanao tifitra roa fampitandremana, satria vitsy an'isa noho ireo mpanao fihetsiketsehana ry zareo rehefa niezaka ny hanao fisamborana tao Causeway Bay.
Raha niparitaka ireo mpanao fihetsiketsehana, niparitaka nanerana ny distrikan'i Yau Tsim Mong ao Kowloon ny herisetra,raha nanaparitaka entona mahalatsa-dranomaso tany Prince Edward ny polisy. Nipoaka ihany koa ny fifandonana tany Kwun Tong sy Lam Tin.
Taorian'ny nahazoana ny tatitry ny MTR mikasika ny fifandonana iray tany anaty fiarandalamby, mpandeha teo amin'ny 3 na 4 teo no nanakana ireo mpanao fihetsiketsehana tsy hiditra tao anatin'ilay fiara tamin'ny alalan'ny barà vy sy tantanana (maritoa) iray, raha ireo mpanao fihetsiketsehana kosa indray niaro tena tamin'ny alalan'ny elo sy famonoana afo. Avy eo, tonga teny an-toerana tao Mong Kok sy Prince Edwards MTR ny polisy mpandrava korontana mba hanao fisamborana.
Nasehon'ny tatitra amin'ny fahitalavitra sasany ireo polisy mpandrava korontana midaroka olona amin'ny langilangy tany anatin'ireo fiarandalambian'ny garan'ny Prince Edward ary nandefa tsifotra dipoavatra. Maro ireo mpandeha toa nivarahontsana sy nivoa-drà.
Tao anatin'ny fanambarana iray, nilaza ny governemanta fa nandroba tany amin'ireo toby ary nanafika ny vahoaka mpijery ireo mpanao fihetsiketsehana, ary hoe niditra tany amin'ny fantsonan'ny MTR ny polisy sasany mba “hampitsahatra ireo hetsika mahery setra sy koa hisamborana ireo mpandika lalàna.”
Na izany aza, asehon'ny andian-dahatsary sasany fa nidaroka olona tsy nanao fihetsika mahery setra ireo polisy mpandrava korontana. Nofaritan'ny Filoha lefitry ny Antoko Demokraty Lo Kin Hei ireo herisetra nataon'ny polisy ireo tany amin'ny metro ho toy ny dika ara-dalàna amin'ilay fanafihana vahoaka tamin'ny 21 Jolay tany Yuen Long :
The horrible scene at Prince Edward Station where Police Raptors rushed into the MTR train cart, and beat up anyone in there with totally no harm & no sign of defiance. Just the same as the 7.21 Yuen Long Attack carried out by mobs. pic.twitter.com/nTfBb1ehG4
— LO Kin-hei 羅健熙 (@lokinhei) 31 Aogositra 2019
Ilay sehatra mahatsiravina tany amin'ny Garan'i Prince Edward izay nibosesehan'ny polisy tao anatin'ilay fiarandalamby MTR ary nidarohan'izy ireo izay rehetra tao nefa tena tsy nisy marika fanimbàna na fihantsiana. Toy ilay Fanafihana ny Yuen Long tamin'nyh 27 Jolay nataon'ny olona. pic.twitter.com/nTfBb1ehG4
Nitatitra ireo manampahefana tao amin'ny hopitaly fa olona 41 no niditra hopitaly ary 5 no naratra mafy nandritra ireo fifanandrinana niseho tamin'ny faran'ny herinandro.
Sokajy

Atombohy ny resaka
Sokajy
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 9 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...