Tantara mikasika ny Fampandrosoana
Fantaro ireo antony mahatonga ny adim-pikomandiana sy fanafoanana komandy ifanaovan'i Nizeria sy Afrika Atsimo
Misy fiantraikany ratsy amin'ny fiveloman'ny mpamily ity fifanolanana nomerika farany ity, izay ahitana baiko sy fanafoanan-dia amin'ny fampiharana fitsangatsanganana ao amin'ny firenena roa tonta.
Trangan-kohadavareny 25 tanaty herinandro iray tao Makedonia Avaratra, saika tsy vita vakisiny ny ankamaroany
“Ilaina ny mahatsiahy ny aina tandindonin-doza, indrindra ireo an'ny kilongantsika. Efa voaporofo ho azo antoka sy mahomby ny vakisinin'ny kohadavareny, ary ny zavatra ataontsika anio no mandrafitra ny fahasalamanatsika rahampitso."
Ahoana no ahafahan'i Moldavia mampiray ny firenena ao anaty tsindry Rosiana?
Niantso ireo mpiara-miombon'antoka tandrefana ireo mpanoratra ny tatitra mba hanohana ny fampahalalam-baovao mahaleo tena miady mafy ao Moldavia ary hamporisika ny fananganana fampahalalam-baovao amin'ny teny Rosiana azo itokisana.
Taorian'ny fahavitan'ny kaoferansan'ny SIDS4 tany Antigua & Barbuda, mitolona ny hihazonana ny satany ‘maningana’ ao amin'ny Firenena Mikambana ny ‘nosy madinika’
"Tsy izahay no nanangana ireo olana ireo fa tena manelingelina ny fivoaranay io... Na izany aza, ny SIDS no lohalaharana, ary iray amin'ireo vondrona marefo indrindra izahay."
Ny mety sy ny tsy mety amin'ny fampiasam-bola shinoa eo amin'ny sehatry ny fitrandraham-bolamenan'i Tajikistan
Fehezin'i Shina ny maherin'ny 75 isanjaton'ny volamenan'i Tajikistan, mitera-bola goavana ho an'ny governemanta tajik izany fa manimba kosa ny olompirenena sy ny rohivoary.
Nihen-danja ny rivo-doza Beryl rehefa avy nandravarava an'i Karaiba, saingy mety mbola hitondra faharavana
Tombanana ho fito farafahakeliny hatreto ny isan'ny maty nandritra ny fandalovan'i Beryl, mahagaga raha jerena ny haben'ny fahapotehan'ny fotodrafitrasa, ny tranobe ary ny tontolo voajanahary.
Fanovana ao anatin'ny fanohizana ny fifidianana filoha vaovao ao Tchad: Antsafa nifanaovana tamin'i Clément Sianka
Ny ampitson'ity fifidianana nanamarika ny fiafaran'ny tetezamita ara-miaramila ity, dia naneho ny faniriany hisian'ny fiovana lalina manoloana ny fanamby ara-toekarena amin'izao fotoana izao ny Tchadiana
Ny lalamby Shina-Kyrgyzstan-Uzbekistan: ny fanantenana sy ny ahiahy
Hampiditra bebe kokoa an'i Kyrgyzstan amin'ny lalan'ny varotra Aziatika Afovoany ny lalana ary mety hanokatra lalam-pitaterana vaovao mankany amin'ireo firenena Eoropeanina sy any amin'ny Helodrano.
Ireo ekipa an-dranomasina mitazona an'i Afrika ho afaka mifandray amin'ny aterineto
"Mpiasa sy teknisiàna tena manampahaizana manokana no maka sy manamboatra ireo hosona izay indraindray mahatratra an-kilaometatra ny halalina misy azy any an-dranomasina”
Fahafinaretana isanandro ho an-dry zareo Bangladeshis ny dite, na zava-tsarotra goavana aza no atrehan'ireo mpiasa eny amin'ny toeram-pambolena
Ho an'ny ankamaroan'ireo Bangladeshis, midika fiainana sambatra ny dite, fa ho an'ireo mpiasa mpamboly dite kosa, midika hoe ny ravin-dite ampiarahana amin'ny vary no hany azon-dry zareo atao sakafo noho ny karama varimasaka raisin-dry zareo