Tantara mikasika ny Fitantanam-pitondrana
Trangan-kohadavareny 25 tanaty herinandro iray tao Makedonia Avaratra, saika tsy vita vakisiny ny ankamaroany
“Ilaina ny mahatsiahy ny aina tandindonin-doza, indrindra ireo an'ny kilongantsika. Efa voaporofo ho azo antoka sy mahomby ny vakisinin'ny kohadavareny, ary ny zavatra ataontsika anio no mandrafitra ny fahasalamanatsika rahampitso."
Ahoana no ahafahan'i Moldavia mampiray ny firenena ao anaty tsindry Rosiana?
Niantso ireo mpiara-miombon'antoka tandrefana ireo mpanoratra ny tatitra mba hanohana ny fampahalalam-baovao mahaleo tena miady mafy ao Moldavia ary hamporisika ny fananganana fampahalalam-baovao amin'ny teny Rosiana azo itokisana.
Nitory vehivavy miisa telo i Singapaoro noho ny famoriam-bahoaka ‘tsy ara-dalàna’ manohana an'i Palestina
"Tokony hajaina sy arovana ny fihetsika tsotra ataon'ny Singapaoreana tamin'ny fanaterana taratasy am-pilaminana any amin'ny biraon'ny Filoha."
Fiainana ambivitra an-tendrombohitra Himalayana
Handrava matetika kokoa ao Nepal amin'ireo taona ho avy ny fahavakisan'ny farihim-bongandranomandry sy ny fikorianan'atsangambato, ka hahatonga azy ireo ho zava-misin'ny fiainana.
Tapa-kevitra hanavao ny seha-pampianarana ny minisitra vaovao ao Mongolia
Hatramin’ny naha minisitra azy tamin’ny volana jolay, dia efa nampiditra fanovana am-polony maro momba ny zava-drehetra manomboka amin’ny garabola ka hatramin’ny fampianarana ambony izy.
Nitaraina i Shina dia nesorin'ny mpitarika ao Pasifika tanaty fanambaràna izay rehetra fanononana an'i Taiwan
Niditra an-tsehatra tao amin'ny Pacific Islands Forum (PIF) i Shina, nanizingizina ny hanesoran'ny mpitarika ao Pacifika izay rehetra fanononana an'i Taiwan amin'ny fampitam-baovao nataony momba ny forum.
Na nisy aza ny fampanantenana dia mbola miatrika tsy fahampian-drano ry zareo Azerbaijaney
Mandritra izany fotoana izany, raha maneho ny ahiahiny ireo manampahaizana, momba ny fahafahan'ny fanjakàna mamaha ny olan'ny tsy fahampian'ny rano, miaritra ny mafy kosa ireo vahoaka ao an-toerana sy ireo mponina eny am-bohitra.
Ho fandravana ny demôkrasia, nofoanan'ny fitsarana thailandey ny antoko mpanohitra voalohany
"Ny Fitsarana momba ny Lalàmpanorenana dia tokony ho fikambanana miaro ny Lalàmpanorenana sy ny zo araka ny Lalàmpanorenana. Fa izao izy fikambanana manitatra ny fahefam-panjakana sy mametra ny zon’ny olona sy ny fahalalahan’izy ireo."
Ao Tiorkia, tafa an'arabe nandefasana olontsotra iray ho any am-ponja
Ny "faniratsiràna filoha" sy "fandrisihana fifankahalàna ary fifandrafesana eny anivon'ny vahoaka" no roa isan'ireo vesatra mahazatra anenjehan'ny governemanta ao Tiorkia ireo mpitsikera.
Enjehina noho ny ‘fanakorontanam-bahoaka’ ireo mpikatroka mpomba ny demaokrasia any Zimbaboe
Nanameloka ny fanorisorenana, ny fandrahonana ary ny fanenjehana ireo mpiaro ny zon'olombelona sy ny demôkrasia ireo ny Kofi Annan Foundation, ary mandrisika ny manampahefana hanaja ny paika ara-pitsarana.