Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Jolay, 2011
Shina: Rafitra fanaraha-maso ny Wi-Fi any amin'ireo toeram-pisotroana kafe sy toaka any Beijing
Araka ny Mingpao Daily, namoaka filazana ho an'ireo toeram-pisotroana kafe sy toaka izay manome fahafahana mampiasa Wi-Fi an'ireo mpanjifany mba hametraka fomba fanaraha-maso mitentina RMB20,000 ny mpitandro filaminana ao Beijing...Mihevitra ireo mpampiasa Aterineto fa fanitsakitsahana ny fiainana manokan'ny mpampiasa izany rafitra fanaraha-maso izany.
Shina: Ento Any Amin'ny Faritra Ambanivohitra Ireo Bokinao
Yu Jianrong, Sinoa manampahaizana malaza amin'ny fampandrosoana ny any ambanivohitra sy ny fanoherana ara-tsosialy miainga avy any fototra, dia namoaka fanentanana tselatra mba hizaràna boky efa niasa ho an'ireo tanàna ambanivohitra tany ampiandohan'ny volana Mey.
Shina: Mpisolovava Manohana Kandidà Noraràna Tsy Hilatsaka Ho Fidiana
Mitaha amin'ireo olona marobe milaza ny filatsahany ho fidianana tamin'ity taona ity ho fidiana ao amin'ny Antenimieram-bahoaka, ho tantara iray izay mbola tena misarika ny sain'ny maro ny an'i Liu Ping ao Jiangxi , izay nilahatra tamin'ireo kandidà roa hafa , saingy tsy navela hilatsaka tamin'ny fifidianam-paritra
Sina: Tsy hatahorana ve ny “pastèque mipoaka”?
Volana vitsy lasa izay dia nilaza ny olana iainan'ireo mpamboly ao amin'ny faritanin'ny Jiangsu ny media sinoa, olana izay nilazan'izy ireo fa mipoaka ny pastèque amboleny vokatry ny fampiasana zezika...