Tantara mikasika ny Sendikà
Aostraliàna mpanao gazety, mitokona mitaky fepetram-piasàna sy karama tsaratsara kokoa
"Tsy maneho ny maha-tomponandraikitra no sady tsy misy fanajàna ny fanasaziana ny olona tena ianteheran'ny orinasa mba hampahomby ny fikatsahany tombontsoa "
Ny mety sy ny tsy mety amin'ny fampiasam-bola shinoa eo amin'ny sehatry ny fitrandraham-bolamenan'i Tajikistan
Fehezin'i Shina ny maherin'ny 75 isanjaton'ny volamenan'i Tajikistan, mitera-bola goavana ho an'ny governemanta tajik izany fa manimba kosa ny olompirenena sy ny rohivoary.
Manimba ny asan'ireo mpiompy any Himalaya ny krizy ara-toetrandro
Manakana ny fitomboan'ny ahitra any amin'ny kijàna avo any Rukumn distrika atsinanan'i Népal, ny hain-tany amin'ny ririnina sy ny fahataran'ny filatsahan'ny oram-panala, ka mampidi-doza ny isan'ny ondry ao an-toerana ary manery ireo mpiandry ondry hiala amin'ny asany.
Fahafinaretana isanandro ho an-dry zareo Bangladeshis ny dite, na zava-tsarotra goavana aza no atrehan'ireo mpiasa eny amin'ny toeram-pambolena
Ho an'ny ankamaroan'ireo Bangladeshis, midika fiainana sambatra ny dite, fa ho an'ireo mpiasa mpamboly dite kosa, midika hoe ny ravin-dite ampiarahana amin'ny vary no hany azon-dry zareo atao sakafo noho ny karama varimasaka raisin-dry zareo
Ametraham-padintseranana indray ny takela-masoandro Shinoa ho fampandrosoan'i Brezila ny indostriany
Nandritra ny taona maro i Brezil niankina amin'ny takela-masoandro shinoa hanome angovo mifindra mankany amin'ny angovo maitso. Fa noho ny fametrahana indray ny fandintseranana amin'ny fanafarana fampitaovana angovon'ny masoandro, dia mety ho voahozongozona izany sehatrasa izany.
Nahita fianarana ny vehivavy any Moldavia, saingy kely kokoa ny karamany ary manambady aloha loatra izy ireo
Angon-drakotra momba ny vehivavy monina ao Moldavia amin'izao fotoana avy amin'ny birao nasionaly misahana ny antontanisa ao Moldavia
Fandrika ho an'ny fitondrana Sandinista any Nikaragoa ny vola fisotroan-dronono
Tsy dia miraharaha loatra ny fahanteran'ireo mpanao fihetsiketsehana ny fitondrana Sandinista raha ny mahakasika ny fanagadrana azy ireny, ka nitarika ny ampolony tamin'izy ireny niafara tany amin'ny fonjan'i Nikaragoa ho toy ny gadra politika.
Mikiry hatrany ireo mpanao adisisika ho an'ny zon'ireo mpiasa mpila ravinahitra na eo aza ny fandrahonana ataon'ireo manampahefana ao Thailandy sy Kambôdza
"Hoy aho, azonareo bahanana ny pasipaoroko raha heverinareo fa tena manao zavatra tsy mety aho. Tsy matahotra aho."
Tany Azerbaijana, tanàna iray manontolo no navela ho an'ny vinantolahin'ny Filoha
Fianakaviana folo no voatery tsy maintsy mandao ny tanin'ny razambeny mba hahafahan'ny vinatolahin'ny Filohan'i Azerbaijana, Ilham Aliyev, hanorina toeram-pambolena iray. Vatsian'ny volam-panjakana ny ampahany betsaka amin'ilay tetikasa.
Miresaka momba ireo olana ara-tsosialy mielipatrana amin'ny alalan'ny hirany ilay mpihira rap any Ozbekistan
Mifantoka amin'ny fiarahamonina Ozbeky ny hiran'i Konsta, ny olany, sy ny anjara andraikitry ny tsirairay amin'ny fandehan’ny zavamisy.