Tantara mikasika ny Fanampenam-bava
‘Mendrika ho hita ny marina’: Melohin'ireo mpanakanto ny fanivànana sarimihetsika ao Filipina
Nalahatra ho X ny sarimihetsika roa ao Filipina, ary noraràna ny fandefasana azy ireo any anaty efitrano fijerena. Nahatezitra ireo Filipiàna mpankafy sarimihetsika sy ireo mpikatroka mafàna fo mpiaro ny fahalalahana maneho hevitra izany
GV webinar: Ny Abidin'ny Famoretana Ankihy ao Venezoelà
Amin'ity webinar ity isika hijery ny “fonosam-”pitaovana famoretana ankihy fanaon'ny fitondrana Venezoelàna,, ny fomba nivoarany ara-potoana, ary hamakafaka ny fomba nampiasana azy ireo taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 28 Jolay.
Inona ny fitantanana angon-drakitra aminao? Andao hiresaka anjotra amin'ny 30 Septambra
Andiam-pifanakalozan-kevitra tsy ofisialy, virtoaly mifantoka amin'ny fitsipiky ny fitantanana angon-drakitra iombonana, demôkratika, andraisana anjara ary anapahan-kevitra ny Connected Conversations
Avatar IA sy Instagram Live no ampiasain'ireo Venezoeliàna hanoherana ny famoretan'i Maduro
Taorian'ireo fifidianana niteraka resabe tamin'ny 28 Jolay tao Venezoelà, nohamafisin'ny filoha MAduro ny famoretana sy fanarahamaso ireo tsy mitovy fomba fijery aminy. Mitady fomba handravàna ny sivana ry zareo Venezoeliàna
Nitory vehivavy miisa telo i Singapaoro noho ny famoriam-bahoaka ‘tsy ara-dalàna’ manohana an'i Palestina
"Tokony hajaina sy arovana ny fihetsika tsotra ataon'ny Singapaoreana tamin'ny fanaterana taratasy am-pilaminana any amin'ny biraon'ny Filoha."
Ambivitry ny handany lalàna anti-LGBT+ ny mpanao lalàna Zeorziana
Nasongadin'ireo mpitsikera fa nampitombo ny heloka bevava fankahalana ny lalàna tahaka ilay nolanian'i Rosia tamin'ny taona 2013 “hiarovana ny ankizy amin'ny vaovao misolovava amin'ny fandavana ny hasin'ny fianakaviana nentim-paharazana.”
Mialoha ny fifidianana mampiadi-hevitra, noraràn'i Tonizia ny gazety Jeune Afrique noho ny fitsikerana ny filoha
Manoloana ny fisamborana na fandrarana ny ankamaroan'ny kandidà avy amin'ny mpanohitra, sy ny fanivanana ny Jeune Afrique, manambara hoavy manjombona ho an'ny demokrasia ny fifidianana hoavy ao Tonizia.
Fafan'i Azerbaijan mialoha COP29 ireo mpitsikera
Manana ny iray amin'ireo firaketana iraisampirenena ambany indrindra momba ny zon'ny olom-pirenena sy ny fahalalahan'ny olom-pirenena i Azerbaijan ary nanizingizina ny filoha Aliyev fa voamarina ny fanenjehana ny fiarahamonim-pirenena.
Voakiana ho manampim-bava ny fitantaràna mpomba ny Palestiniàna ireo goavan'ny teknôlôjia
Ampangaina ho maneritery ny feon'ireo ao Palestina ireo sehatra media sôsialy. Miteraka ahiahy momba ny fiantraikan'ny adihevitra demaokratika sy ny fahalalahan'ny fanehoana hevitra manerana izao tontolo izao
Ao Tiorkia, tafa an'arabe nandefasana olontsotra iray ho any am-ponja
Ny "faniratsiràna filoha" sy "fandrisihana fifankahalàna ary fifandrafesana eny anivon'ny vahoaka" no roa isan'ireo vesatra mahazatra anenjehan'ny governemanta ao Tiorkia ireo mpitsikera.