Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Desambra, 2010

Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Desambra, 2010

14 Desambra 2010

Adihevitra mikasika ny Modely Sinoa

Nitsidika an'i Sina ny Praiministra Britanika David Cameron tamin'ny volana lasa teo. Rehefa vitany ny lahateniny tao amin'ny Anjerimanontolon'i Peking dia nisy mpianatra nanontany azy hoe inona no azony notsoahina tamin'i Sina. Niteraka adihevitra mafana tamin'ireo mpitoraka bilaogy sy ny olona manam-pahaizana any Sina ny tantara. Ka inona marina ary...

11 Desambra 2010

Shina: Tsy misy “seza foana” nahazo alalana hiseho aterineto

GV Mpisolovava

Tsy afaka nanatrika ny lanonana Loka Nobel ho an'ny Fandriampahalemana tany Oslo, Norvezy, natao omaly i Liu Xiaobo sy ny vadiny. Nanokana “seza foana” (tsy misy olona) ihany ny Komitin'ny Loka Nobel ho toy  ny fanamarihana hoe nanatrika teo i Liu. Ho mariky ny fanohanan-dry zareo an'i Liu sy hanapariahana...

02 Desambra 2010

Shina: Fotoana ho an'ny adihevitra vaovao momba ny fitsabahana amin'ny fiainana manokan'ny olona

Miaraka amina fijery faobe sy angamba mivelatra be momba ny olana mivandravandran'ny fiainana manokan'ny olona, manontany i Rui Shen, poeta sady mpampianatra hoe: "Maro ny olona no tsy miombon-kevitra amin'ireo fepetra fiarovana ny seranam-piaramanidina izay mampiseho ny toe-batan'ny olona, izay raisin'izy ireo ho toy ny fitsikilovana tanteraka ny maha-izy azy...