Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Jona, 2011
Sina: Mpampiasa aterineto iray nahazo sazy fanabeazana mandritry ny herintaona noho ny fanesoany ny mpitondra
Araka ny tatitry ny media any an-toerana [zh], nisy mponina iray avy ao amin'ny tanànan'i Chongqing, Fang Hung, nahazo sazy fanabeazana ny Aprily 2011 noho ny famoahana bilaogy kiritika manesoeso an'i Bo Xilai lehiben'ny antoko politikan'ny tanàna, zanak'ilay razokibe Bo Yibo mpitaky fanovàna ao amin'ny Antoko Kaominista Sinoa
Shina: Navoaka Avy Any Am-ponja Ilay Mpisolovava Li Zhuang
Vitsy ny any Shina no afa-mamaky ny tohin'ny tantaran'ireo nalefa any am-ponja noho ny raharaha politika, indrindra ny hahita izany ho misongadina indrindra ao amin'ny bilaogy fanta-daza Sina. Saingy taorian'ny fahafahan'i...
Shina: TOhodranon'i Three Gorges , Fotoana Natao Hisainana
Nandritra ny 17 taona nilaina nananganana azy ary mandra-pahatongan'ny fahavitany tamin'ny Oktobra2008, nidehaka i Sina fa io tetikasa io dia hiditra ao anatin'ny asa fananganana sy zava-mahatalanjona erantany. Tao amin'ny fivorian'ny komity mpitantanana ny Filan-kevi-panjakana natao ny 18 May teo, dia nisy fanambaràna iray navoaka nilaza ny voka-dratsy goavana entin'ilay tetikasa Tohodrano Three Gorges.
Shina: Fiampangana voalohany ‘Jasmin’
Nivoaka androany ny didim-pitsarana voalohany ilay mpikatroka miaro ny zon'ny sarambambe ao Chengdu, Li Shuangde, 47 taona, taorian'ny fisamborana sy fitazonana azy matetika nandritra ity lohataona ity. Taorian'ny fitazomana azy nanomboka...