Tantara mikasika ny Shina tamin'ny Janoary, 2014
Shina: Avoahy Ilham Tohti — Tohano ny Fampihavanana Ara-Poko

Nosamborin'ny polisy tamin'ny 15 janoary teo i Ilham Tohti, mpanorina ny Uyghur Online sady mpisolovava tony fihetsika ho amin'ny politikan'ny fizakantenan'ny foko ao Shina. Misolovava amin'ny famotsorana azy ny mpanohana azy an-tserasera.
Fomba Fitaizan-tSinoa Maka Tahaka ny ‘Tigra’ Miteraka Fitarainana Avy Amin'ny Tanora
mamono ny tsy fananan-tsiny [ry zareo] mandritry ny fahazazan'ireo ankizy, mamono ny nofinofintsika mandritry ny maha-zatovo antsika sady mamono ny hetahetantsika mandritry ny fahatanorantsika
Fenitra Any Tibet Sy Ny Faritr'i Uyghur Ny Fahatapahan'ny Aterineto

Any amin'ny faritra Andrefan'i Shina ao Uyghur sy Tibet, dia akatson'ny fanjakana ny Aterineto ho valin'ny hetsi-panoherana sy ny korontana.
Iray Tapitrisa Yuan Ny Findramana Sipa Hiarahana Amin'ny Taombaovao Shinoa
"Sahirana loatra amin'ny asako aho, manery ahy hanambady i neny, izany no ikasako tsy misorona hanofa sipa ho entina any an-trano."
Lavin'i Cui Jian, Kintan'ny Rock Shinoa, Ny Hihira Eo Ambany Sivana
Nandà tsy handray anjara amin'ny 'gala' mandritry ny fetin-dohantaona amin'ity taona ity ilay kintan'ny rock shinoa, Cui Jian, tompon'ilay hira “Nothing to My Name” lasa hira faneva ho an'ireo hetsi-panoheran'ny mpianatra tao amin'ny Kianja Tiananmen, raha toa takian'ny manampahefana ny hanivànany ny tononkirany
Shinoa Mpikatroka Zon'ny Vehivavy Mandeha An-tongotra 2 000 Kilometatra Ho Fanoherana Ny Fanararaotana Ara-Pananahana
Feno efa-bolana ny fitsangatsangana an-tongotra niala tao Beijing mankany Guangzou nataon'ilay mpikatroka miaro ny zon'ny vehivavy, Xiao Meili.
SARIPIKA: Olombelon'i Shanghai
Nitsangana tamin'ny Marsa 2013 ny pejy Facebook Olombelon'i Shanghai page ary manasongadina ny seha-piainana andavanandron'ny Shinoa metropolis.
‘China New York Times'? Tonga Soa Amin'ny Nofinofin'Ilay Mpanakarembe Chen Guangbiao
"Raha tsy manana finoan'ny fahafahana Amerikana moa ny New York Times dia mbola ho New York Times ihany ve??"
Mifindra ao amin'ny WeChat Ny Mpiserasera Shinoa (sy ny Kabary Politika)

Raha nahomby tamin'ny fifehezana ny Weibo ny solovavan'ny governemanta sy ny manampahefana, dia nosoloin'ny WeChat ny toeran'ny Weibo amin'ny maha-sehatra lehibe indrindra amin'ny fivoahan' ny hevi-bahoaka azy
LAHATSARY: Ny Nofinao Dia Nofin'ny Antoko Kaominista Shinoa
Toy ny dokambarotra maharitra telo minitra ho an'ny Antoko Kaominista Shinoa (CCP) ilay lahatsary “Antoko Kaominista Shinoa miara-dàlana aminao”, ezaka iray hitrandrahana ny hery malefaka amin'ny alalan'ilay lahatsary