Tantara mikasika ny Vonjy Voina
Miezaka ny miarina avy amin'ny fiparitahan'ny solika akaikin'ny renivohitr'i Filipina ireo mponina amoron-dranomasina
"Toy ny afo amin'ny alantsika ny fiparitahan'ny solika misy poizina any an-dranomasina, ka mametraka lalam-pandringanana izay mitondra voka-dratsy am-polony taona maro."
Mafy lavitra noho izay asehon'ny fahitalavitra ny fiainana ao Gaza
Tapa-bolana lasa izay, nisotro rano aho ary dia mbola marary foana izao ny kiboko. Noheverina ho azo nosotroina ilay rano, tahaka ny niheverana koa hoe azo iainana ao Gaza
Nangasihasy ry zareo Belarosiàna any am-pielezana nony nahita fa tsy nisy tamingana Belarosiàna tamin'ilay fifanakalozana gadra
Mazàna no tsy raharahaina ny fijalian'ireo Belarosiàna gadra pôlitika, ary na 18 aza no navotsotra tamin'ny volana lasa iny, tombanana ho mbola misy 1.400 any am-ponja
Miomana ny hanidy ilay sisintany farany fiampitàna iraisany amin'i Belarosia i Pôlônina, raha mbola mitohy kosa ny krizin'ny mpitsoa-ponenana
‘Toy ny ao Finland, resaka mandeha ao Pôlônina ny hoe fifindramonina atao fitaovana no misy, atosiky ny firenena iray feno fankahalàna avy any ivelany, fa tsy ny fijerena ireo filàna araka ny maha-olombelona an'ireo olona mifindra.’
Foto-pianarana mahatohina momba ny sisintany ifanoloran'i Rosia sy Finlandy
Misy vondron'olona mpikaroka momba ny zon'olombelona sy ny fifindramonina manazava ny fomba hanitsakitsahan'ity lalàna ao Finlandy ity ny adidy iraisampirenena sy ny lalànan'ny zon'olombelona.
Satria vonona hametra-pialàna ny filohan'i Haiti, hanampy ny fireneny ve ny drafitra vaovaon'ny CARICOM?
Nametra-pialana tao anaty firongatry ny korontana ara-tsosialy ny praiminisitra ao Haiti; afaka mitondra fiovana ve ny fandraisan'ireo mpifanolo-bodirindrina amin'ny firenena Karaiba anjara?
Mbola afa-manao bebe kokoa isika hanampiana an'i Okraina
Roa taona sy sazy an'arivony taty aoriana, mbola tsy voahozongozona ny herin'adin'i Moskoa, ary manohy midaroka baomba an'i Okraina i Rosia, raha tsy ny mihoatra izany, toy ny tamin'ny marainan'ny 24 Febroary 2022, izay nanombohan'ny hetsika fanafihana feno.
Fiampitàn'ny Fahafatesana: Ilay làlana feno fitaka izoran'ireo mpifindramonina manandrana miampita an-tsokosoko avy ao Italia ho any Frantsa
Mba hitantaràna ny tantaran'izy ireny sy hiaina mivantana ireo fanamby amin'ny famakivakiana izany làlana izany, mpanao gazety roa no namakivaky ilay làlana mampididoza falehan'ireo mpifindramonina an-tsokosoko avy any Italia ho any Frantsa.
Rosiana LGBTQ+ mpangataka fialokalofana, maty teo ivelan'ny toby Hôlandey fandraisana mpitsoa-ponenana
ONG mpanohana ny LGBTQ+ : "Manjary fironana mampiahiahy, indrindra fa eny anivon'ny vondrom-piarahamonina LGBTQIA+ ireo fahafatesana tany anatin'ireo toby fandraisana mpitsoa-ponenana. Tsy trangan-javatra fotsiny izao fa antso vonjy ihany koa."
Voarara ao Rosia saingy alefa amin'ny YouTube ilay fanadihadiana mikasika ny mosary tany Volga tamin'ny andian-taona 1920
Noho ny antony tsy mazava, noraran'ny governemanta Rosiana ilay fanadihadiana Rosiana iray mampiseho ny mosary tamin'ny taona 1921 hatramin'ny taona 1923 tao amin'ny faritr'i Volga, saingy azo jerena amin'ny aterineto ao amin'ny YouTube.