Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

Tantara mikasika ny Japana

19 Marsa 2020

Natsangan'i Japana ho velona indray i ‘Amabie’, zava-boary fahiny, hiady amin'ny COVID-19

"Efa nisy ve ny biby mampatahotra notiavina haingana dia haingana tao anatin'ny fotoana fohy monja?"

25 Febroary 2020

‘L Japan': Olon-droa miaraka mibilaogin-dahatsary ny fiainan'ny vehivavy mifanambady

Jereo ny fampahafantarana momba ny tenin-jatovo Japoney hiantsoana ny fiarahan'ny vavy samy sy ny maro hafa ao amin'ny fantsona YouTube nataon'ny mponina ao Kobe Miho sy Clare.

20 Febroary 2020

Mihitsoka sy mirehitra ny orinasa ‘Mario Kart’ mpanao cosplay taorian'ny nampakarany ny fanapahankevitry ny Nintendo

Amporisihina ireo mpanjifa hanao fiankanjo natolotry ny Maricart ho toy ireo endrik'olona malaza ao anaty andiany "Mario Kart" an'ny Nintendo sy mba "hihazakazaka" ao an-tanàna, saingy efa tapitra ireny andro ireny.

15 Desambra 2019

Mampiavaka an'i Japàna ve ilay toerana miringiringy natao ho fitaingenana bisikileta mitety valanjavaboary?

Ao Japàna, ilay valanjavaboary miavaka ao Okayama dia manasa ireo mpitsidika mba handresy ny lalànan'ny fisarihan'ny tany avy eny ambony bisikilety miringiringy eny ambony be eny.

11 Desambra 2019

Nolalaovina toy ny ‘kabuki’ ilay sarimiaina ‘Nausicaä’ malaza be avy any Japàna

Nausicaä of the Valley of the Wind (Nausicaä an'ny Lohasahan-dRivotra), iray amin'ireo sary nohetsehana malaza indrindra ao Japàna, dia holalaovina toy ny Kabuki ny Desambra 2019 ao Tokyo.

02 Desambra 2019

Manoritra ny tantara lava katolika tao Nagasaki ny fitsidihan'ny Papa Fransoà

Nanasongadina ny vakoka ara-tantaran'ny kristiana ao amin'ny firenena ny fitsidihana voalohany nataon'ny Papa tao Japana tao anatin'ny efa ho efapolo taona izay, namantarana ireo fanamby lehibe atrehin'ny hafa eto amin'izao tontolo izao.

29 Novambra 2019

Niteraka fanoherana ny foaran'ny fitaovam-piadiana Japoney

Nitsena mpanao fihetsiketsehana ao an-toerana farafahakeliny miisa 400 ny varotra fampisehoana iraisampirenena momba ny fitaovam-piadiana ao Japana mampivoitra ny lalan-tery idiran'ny governemanta japoney sy ny indostiriany manoloana ny lova mpandala ny fandriampahalemana taorian'ny ady [lehibe].

23 Novambra 2019

Angondrakitra vaovao aty anaty aterineto mitahiry ireo sary efa ho 40.000 momba ny fibodoan'i Japàna an'i Shina

Angondrakitra vaovao aty anaty aterineto mitahiry ireo sary efa ho 40.000 manome topimaso momba ny fibodoan'i Japàna ny tao avaratra atsinanan'i Shina

22 Novambra 2019

Shina: Tantara ratsin'ny resaka akoho mitsindrona ‘hormone’ aroson'ireo orinasa ‘Fast Food’ maro rantsana erantany

Maromaro ireo orinasa maro, toy ny KFC sy McDonalds, no voasaringotra aminà tantara ratsy momba ny sakafo tsy ara-pahasalamàna tato ho ato. Misy ireo feo nasiônalista miantso ny handroahana ireo marika vahiny, raha ny hafa kosa mihevitra hoe ireo manampahefana tomponandraikitra no tokony hotsiniana amin'ny tsy fanarahamaso ny fiarovana ara-tsakafo.

20 Novambra 2019

Mampiseho ny fanagadrana ireo Japoney taorian'ny Ady Lehibe Faharoa ny teatira Tashkent

Tamin'ireo Japoney nogadrain'ny Firaisana Sovietika hanao asa an-terivozona taorian'ny fiafaran'ny ady dia olona teo amin'ny manodidina ny 25.000 teo ho eo no nentina nankany Uzbekistan.