· Novambra, 2018

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Novambra, 2018

Holandy: Tafaray ireo vehivavy am-pielezana Amerikana Latina

Nikarakara fihaonambe ho an'ireo vehivavy mpifindra monina Amerikana Latina sy Karaiba any Amsterdam ny fikambanana Eoropeanina DiasporaSolidaria.org, izay nifanakalozany hevitra toy ny zon'izy ireo, ny toetra miovaova amin'ny fianakaviana sy ny fandaniana. LA Ruta mitondra antsika lahatsary fohy mandrakitra ny sasantsasany amin'ny zavatra niainan'izy ireo.

30 Novambra 2018

Fiarahaban'ny vehivavy!

Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.

30 Novambra 2018

Bolivia: Bilaogera notendrena ho ao amin'ny Fitsarana Fifidianam-Pirenena

Amin'ny ankapobeny ny firaisamonin'ny bilaogy boliviana manohana ny mpikambana ao aminy. Vao haingana ny bilaogera fanta-daza iray no notendrena hoe amin'ny toerana ambony iray ao amin'ny governemanta boliviana. Raha ny tokony ho izy dia tokony ho maro ny fanohanana sy ny fiarahabana tamin'izany fanendrena vaovao izany saingy...

29 Novambra 2018

Arzantina: 20 taonan'ny sarimihetsika sy sarimiaina “El Mate” maimaim-poana any an-tsekoly

Nandritra ny 20 taona mahery, ankizy sy zatovo Arzantiniana an-jatony maro no nianatra momba ny fanaovana horonantsarimihetsika sy sarimiaina izay tafiditra ao anatin'ny fandaharana Taller de Cine El Mate, ary ahafahan'ireo ankizy avy ao amin'ny kaominina Vicente López ao Buenos Aires mandray anjara sy mitrandraka ny dingana fanaovana filma maimaim-poana.

26 Novambra 2018