Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Jona, 2010

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jona, 2010

29 Jona 2010

Venezoela: ireo mpampiasa Twitter, mpitoraka blaogy ary ireo mpikambana amina forum ao ambany mason'ny fitsaràna.

GV Mpisolovava

Ny tantara lavan'ireo fitsabahana amin'ireo banky any Venezuela [EN], dia nitarika tsaho marobe tsy azo nosorohana momba ny hoe banky iza indray no hiharan'ny fitsabahana ato ho ato. Ny Banky Federaly, niharany ny herinandro lasa teo, dia banky faha-roa ambinifolo nitsabahan'ny Governemanta nanomboka ny volana Novambra 2009. Herinandro lasa izay,...

28 Jona 2010

Pero: Nitsidika an'i Lima ireo tompondaka roa erantanin'ny lalaon-tsaina echec

Nandritra ny roa andro, dia nampiantrano an'ireo tompondaka roa erantanin'ny echec, Gary Kasparov sy Anatoly Karpov i Lima. Samy tonga hanao lalao fampisehoana izy roa ireo, izay nifanandrinan'izy ireo tamina ankizy 25: 20 amin'izy ireo dia nofidian'ny Federasiona Perovianin'ny lalaontsaina Echec ary ny ambiny dia nalaina avy amin'ny mpijery. Na...

26 Jona 2010

Kolombia: manavotra takalon'aina 4 nalain'ny FARC an-keriny tamin'ny 1998 ny Tafika

Tamin'ny alahady 13 Jona tamin'ny mitataovovonana, raha niomana ny hijery ny lalao fiadiana tompon-daka erantany amin'ny baolina kitra ifanandrinan'i Alemana sy Aostralia ny ankamaroan'ireo Kolombiana, nivoaka ny vaovao: minitra vitsy vao haingana, nambaran’ny Filoha Uribe ny fanavotana ny Jeneraly Luis Mendieta sy ny Kolonely Enrique Murillo, Manamboninahitra ao amin'ny Polisim-pirenen'i...

19 Jona 2010

Meksika: vonona hifanandrina amin'i Frantsa

Milalao ao anatin'ny vondrona A mifanandrina amin'i Uruguay, Frantsa ary Africa Atsimo ny ekipa Meksikana amin'ity Mondial FIFA 2010 ity. Amin'ny lalao fanokafana dia I Meksika no nifanandrina tamin'ny mpampiantrano, Afrika Atsimo. Na dia nifarana tamin'ny 1-1 aza ny lalao, dia namela marika tsara sy nampisy tara-panantenana ho an'ireo mpanohana...

05 Jona 2010

Argentina: Fankalazana ny faha-roanjato taona amin'ny aterineto

Nankalaza ny faha-200 taonan'ny fiandohan'ny fanasarahana azy tamin'i Espana i Argentina, nanomboka ny May 25, 1810. Tamin'io fotoana io, komity iray tao an-toerana no nanapa-kevitra ny hanongana ny mpanjaka lefitra Espaniola ary hanomboka ny fananganana Governemanta mahaleotena. Isan'ny ao anatin'ity fankalazana ity, eo anelanelan'ny 21-25 May, dia hisy fihetsiketsehana maro,...

03 Jona 2010

Goatemala: mampihatra ny fahamehana vokatry ny rivo-doza Agatha

Taorian'ny fihetsehan'ny volokano Pacaya mafimafy kokoa tamin'ny herinandro lasa, dia niforona nanakaiky an'i Amerika afovoany ny rivo-doza Agatha ka namely mafy an’ i Gatemala, nandrava be tany amin'ny faritra avo, maro ny olona tsy hita popoka, olona maty 93 raha kely indrindra, lalana tapaka, tetezana tapaka ary namotika be koa...

02 Jona 2010

Pero: ankizivavy kely mpianatra nanontany ny vadin'ny filoha amerikana momba ny fanavaozana ny fifindramonina

Ny faha 19 may lasa teo, ny vadin'ny filoham-pirenena any Etazonia, Michelle Obama sy Ramatoa Margarita Zavala, vadin'ny filohan'i Meksika, Felipe Calderon, dia nitsidika sekoly fanabeazana fototra iray tany Silver Spring any Maryland. Tao anatin'ny fitsidihana dia zazavavy kely iray 7 taona antsoina hoe Daisy, no nametraka fanontaniana tamin-dRamatoa Obama,...