Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Febroary, 2013
Afomanga Nahavoa Tsy Ampy Taona sy ny Etikan'ny Media ao Bolivia
Nahafaty olona, rehefa nahavoa sy namono zazalahy 14 taona ny afomanga nalefa nandritra ny lalao football [es] iray tao Bolivia. Mba hitantarana ny voina dia nampiasa ny pejy facebook-n'ilay zazalahy ny mpitati-baovao,...
Mikasa Mbola Hanohy Fe-potoam-piasana Fanindroany (Sa Fanintelony?) Ny Filohan'i Bolivia
Nanambara ny antokon'ny fitondrana MAS fa mikasa hofidiana fanindroany amin'ny fifaninana fifidianana filoha-pirenena hoavy atao amin'ny volana Desambra 2014 ny filoha Evo Morales. Manana tombontsoa noho ny fanohanana lehibe ao Bolivia, indrindra...
Hamarino Tsara: “Colombia, Fa TSY Columbia”
Mba ho fiezahana hamerenana amin'ny laoniny sy hanitsiana ny fahadisoana fahita amin'ireo mpiteny anglisy, sy hanatsarana ny endriky ny fireneny dia misy tanora matihanina Kolombiana efatra nanokatra fanentanana amin'ny tambajotra sosialy manao hoe "Colombia, Fa TSY Columbia."
Niteraka Resabe Ny Fitetezam-pirenena Nataon'ilay Bilaogera Kiobàna Yoani Sánchez
Hatramin'ny taona 2004, sambany nandao an'i Kiobà ilay Bilaogera Kiobàna efa nahazo fankasitrahana Yani Sánchez tamin'ny Alahady lasa teo. Handeha hitsidika sy handray anjara amin'ny dinidinika (forum) any amin'ny oniversite,...
Karaiba: Ho An'Ireo Mpitoraka Bilaogy Ny Andron'ny Mpifankatia
Mihevitra ve ianao fa mahafantatra ny atao hoe fitiavana? Nampiasa ny Andron'ny Mpifankatia ho fomba hahafantarana izany ny mpitoraka bilaogy vitsivitsy avy any amin'ny faritra...
Maxima Zorreguieta, Ilay Arzantina Ho Lasa Mpanjakavavy Hitondra An'i Nederlandy
Anton-dresaka fankalaza sy bitsika ho an'ny Arzantina ny fialàn'ny Mpanjakavavin'i Nederlandy Beatrix teo amin'ny toeram-boninahitra, ary koa satria ho lasa Mpanjakan'ny tanin'i Nederlandy i Máxima Zorreguieta.
Naàton'ny Fitsarana Braziliana Ilay Taratasy Fanesorana Ireo Vazimba Teratany Tao Guarani-Kaiowá
Nahazo fanohanana goavana tamin'ilay tolona natao hanoherana ny fanalàna azy ireo tamin'ny taniny ilay fanentanana faobe tanaty aterineto izay valin'ilay antso nataon'ireo vazimba teratany ao Guaraní-Kaiowá tao Pyelito Kue ao Mato Grosso do Sul dia. Ny faran'ny volana Oktobra 2012 lasa teo,nanapa-kevitra ny fitsarana ao Brazila ny hanafoana ilay didy fanesoràna azy ireo amin'ny taniny. Na dia izany aza anefa,mbola mitohy ny tolona mandra-panamarika mazava tsara ny faritry ny tanin'izy ireo.
Fifidianana Tao Ekoatera: Voafidy Ho Filoha Indray i Rafael Correa
Tamin'ny Alahady 17 Febroary 2013, olom-pirenena Ekoateriana 11.6 tapitrisa no nandeha nandatsa-bato, nanatontosa ny zony hifidy. Nofidiana tamin'izany andro izany, ny filoham-pirenena sy ny filoha lefitra, solontena 137 avy ao...
Lahatsary momba ny “One Billion Rising” Hetsika Manerantany miady ho an'ny Zon'ny Vehivavy
Vehivavy iray ao anatin'ny telo no iharan'ny herisetra amin'ny fiainany. Tamin'ny 14 Febroary 2013, olona amanarivony manerantany no nanao fihetsiketsehana nanohitra ireo herisetra andavanandro tamin'ny alalan'ny dihy-fihetsika mirindra, hetsika artistika sy maro hafa.
Nampanotany Tena ny Eran'ny Aterineto Ny Tweet Mifono Hevi-Dalin'ilay Politisiana Tao Arzantina
Nisioka tambatarehimarika misitery tao amin'ny kaonty Twitter-ny ny filohan'ny Antoko Sosialista tany Arzantina sady efa nanao kandidà ho filoham-pirenena tamin'ny fifidianana farany indrindra teo, ny Dr. Hermes Binner. Efa voakosoka...