Tantara misongadina mikasika ny Paragoay
Tantara mikasika ny Paragoay
Fanapoizinana sy fandroahana ao Paragoay ataon'ny indostrian'ny hena ao Eoropa
Mivarotra hena vokarina tamin'ny saozaha voarohirohy tamin'ny fanitsakitsahana ny zon'olombelona ao Paragoay ny McDonald's, KFC, sy ny Carrefour.
Amerika: Jery todika 2008
Nodarohan'ny tafika mitam-piadiana Kolombiana ny tobin'ny mpiady anaty akatan'ny Tafika Revolisionera Mitam-piadiana ao Kolombia (FARC) miorina ao anatin'ny sisintanin'i Ekoadaoro, niteraka olana ara-diplomatika teo amin'ireo firenena roa tonta izany. Miaraka amin'ny filoha Venezoeliana Hugo Chávez nandray anjara tamin'ny adin-teny, izay tsy ela dia nivadika ho krizy ara-tsisintany tanteraka.
Amerika Iberika: Fihaonan-toby oniversitera ao El Salvador
Tamin'ity herinandro ity tany Salvadaoro, mpankafy teknolojia an-jatony no nivory tao an-drenivohitr'i San Salvador mba handray anjara amin'ny fizarana farany amin'ny Campus Party.
Bolivia: Toby Miaramila Any Amin'ny Sisintany Ary Fifandirana Anaty
Resahina eny anivon'ireo blaogy miresaka politika avy any Però sy Shily ny fifanarahana teo amin'i Bolivia sy Venezoela ny hanao fotodrafitrasa ara-tafika eo amin'ny sisintany iraisan'i Paragoay, Shily, Però ary i Brezila.
Ny raharaha emoji mate sy ny maha-zavadehibe izany ho an'i Amerika Atsimo
Efa eo ambaravaran'ny fankatoavana ny isiany ao amin'ny rakibolan'ny emoji ity zava-pisotro amerikana tatsimo ankafizin'olona an-tapitrisany ity.
Fiarahaban'ny vehivavy!
Azo antoka fa tsy mila miteny Espaniôla ianao vao hahatsapa ny volo mitsangana ao amin'ny tendanao rehefa mijery ity lahatsary mampihetsi-po ity, izay novokarin'ilay bilaogera Arzantiniana Malearg, ary mitantara ny fandrosoana sy ny zava-bita nataon'ireo vehivavy manerana izao tontolo izao.
Manangon-bola Hanaovana Horonantsary Fanadihadiana ilay ‘Ôrkesitra Voahodina’ ireo Mpamokatra Horonantsary
Miaina voahodidina fako ireo ankizy ao Cateura, tanàna mahantra ivelan'i Asunción, Paragoay. Aminà toerana izay mahalafo ny lokanga mihoatra nóho ny trano iray, manova ny fiainan'ireo ankizy ireo ilay mpiangaly mozika, Fabio Chavez, amin'ny fampianarana azy ireo hitendry mozika miaraka aminà zavamaneno vita avy amin'ny fako.
Paragoay: ny reny lasa mpikarakara zokiolona, ny zanaka lasa taizan-drenibe
Paragoyana an'arivony no voatery nifindra monina tany Arzantina sy tany Espaina mba hiasa ho toy ny mpanampy an-trano ary namela ny fianakaviany ho andraiketin'ny vehivavy hafa.
Amerika Latina: Niresaka momba ny fahantrana ny Blog Action Day
Mila olona azo atokisana fotsiny izahay, mpitantana matotra, olona izay miasa ho an'ny tombontsoan'ny firenena iray manontolo fa tsy ho an'ny tombontsoany manokana.
Paragoay: Joseph Stiglitz Ilay Nahazo Loka Nobel Momba Ny Toekarena, Te-hanoro Hevitra Ny Filoham-Pirenena Vaovao
Ny Loka Nobel Momba ny Toekarena Joseph Stiglitz dia ho any Paragoay mba handray anjara amin'ireo lanonana fanokanana ny Filoham-pirenena Fernando Lugo. Anisan'ny hanararaotany hanomezana hevitra ny Filoham-pirenena vaovao ihany koa io fotoana io, ary nomarihiny fa tsy handoavam-bola aminy velively izany fanolorana hevitra ataony izany.