· Septambra, 2020

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Septambra, 2020

(2010) Kolombia: Fanomezana virtoaly ho an'i Medellín noho ny faha 335 taonany

Nankalaza ny faha-335 taona niorenany ny tanàndehiben'i Medellín ny 2 Novambra 2010. Nosokafana tao amin'ny Twitter ny kaonty @cumplemedellin ahafahan'ny olom-pireneny misioka ny fanomezana fanamarihana tian'izy ireo atolotra ny tanàna noho ity fotoana ity. Inona no atolotrao ny tanandehibenao amin'ny "tsingerintaona" nijoroany ? Ny siokan'ireo olom-pirenena tao medellin iray volana mialoha ilay andro.

21 Septambra 2020

(2009) Topimaso momba ny Vovonan'i Amerika

Raha efa akaiky ny fanokafana ny Vovonan'i Amerika Fahadimy ahitana mpitondra miisa 34 avy amin'ny Ila Bolantany Andrefana hiara-midinika ny olana mifandraika amin'ny fanambinan'ny olombelona, ​​ny tontolo iainana lovainjafy ary ny fiarovana ny angovo, ary mazava ho azy ny krizy ara-bola manerantany dia nanohy nanara-maso akaiky ny fivoaran'izany ireo bilaogeran'ny renim-paritra.

18 Septambra 2020

(2009) Meksika: Fanahiana amin'ny fielezan'ny gripan-kisoa [mitovy fepetra amin'ny ankehitriny 2020]

Niteraka ahiahy ny fihanaky ny gripan-kisoa izay nahafaty olona miisa 68 tao Mexico sy namparary olona 1.000 hafa. Nahatonga ny fanakatonana ny sekoly sy ny fanafoanana ny hetsika ara-kolontsaina ny valan'aretina. Nitandrina ny mponina eny an-dalambe tao an-drenivohitra mba hialana amin'ilay viriosy raha niandry hahita hoe ve miely ny aretina ny hafa.

14 Septambra 2020