Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Febroary, 2014
Hetsi-panoherana Tany Venezoela : Maty Voaatifitra Teo Amin'ny Lohany Ilay Mpanjakavavin'ny Hatsarana
Maty noho ny ratran'ny tifitra nahazo azy tamin'ny lohany i Genesis Carmona. Izy no olona niharan'ny herisetra farany amin'ilay hetsi-panoherana ao amin'ny firenena.
Gregorio Jiménez de la Cruz , Mpanao Gazety Iray Maty Tany Meksika
Fasana nafenina no niafaran'ilay mpanao gazety Meksikana Gregorio Jiménez de la Cruz. Mbola tsy tonga any amin'ny fitsarana ireo namono azy.
Brezila : Lahatsary Mananihany Nosivanin'ny Rede Globo
Nahita fahombiazana be "Ilay lahatsary tsy tian'ny Globo ho hitanareo", izay anehoan'i Rafucko (breziliana mpanao gazety amin'ny endriny mananihany) amin'ny fomba mahatsikaiky ny heveriny ho fandrakofan'ny fantsom-pahitalavitra Rede Globo ireo hetsi-panoherana nampihovitrovitra an'i Brezila.
Tsaho Sy Sary Hosoka Mampanaitra Ny Ao Amin'ny Media Sosialy Ao Venezoelà Ho Tompon'Andraikitra Kokoa Amin'Ny Zavatra Avoakany
Ny krizy mitranga ankehitriny ao Venezoela no mametraka ny mpiserasera ho lohalaharana amin'ny fampielezam-baovao, saingy tsy ny rehetra tsy akory no mangarahara na tompon'andraikitra amin'ny fitaterany ny zava-mitranga.
Ilay Venezoela Hotsaroako Mandrakariva
Mahatsiaro ilay Venezoela tanyamin'ny taona 1990 ilay Peroviana Gabriela Garcia Calderón, firenena iray tena hafa mihitsy amin'ilay iray izay avoaka any anaty lohateny vaventin'ny fampahalalam-baovao faramparany teo
Venezoela: Noraofin'ny Polisy Ny Findain'ireo Mpanao Fihetsiketsehana
Nitatitra ireo olona marobe fa noraofin'ny polisy sy ireo manampahefan'ny Mpiambina Nasionaly ny findain'ireo mpanao fihetsiketsehana ka voagadra ao Venezoela
GV Face: Hetsi-Panoherana Ao Venezoelà
Fa hetsi-panoherana momba ny inona no misy ao Venezoelà? Inona no toerana tànan'ny mediam-bahoaka? Miresaka amin'i Marianne Díaz izahay mikasika my toe-draharaha misafotofoto ao amin'io firenena io amin'izao fotoana izao.
Venezoela: Mitondra Fanohanana Ireo Fihetsiketsehana Ao An-toerana Ny Venezoliana Ampielezana
Nitondra ny fanohanany ireo fihetsiketsehana ao Venezoela ireo Venezoeliana monina any ivelany tamin'ny alalan'ny fandefasana sary marobe tao amin'ny tambajotra sosialy.
Péro : Salanisa Mavesatry Ny Vanim-Potoam-Pahavaratra
Niteraka fihotsahan'ny tany sy tondradrano ireo oram-batravatra tany amin'ny faritra maro tao Péro, nitarika fisianà tra-boina sy fahapotehanà fitaovana marobe.
Hijanona Ao amin'ny Valam-biby Mendoza Ihany ilay “Orsan'ny Tendrontany” Ao Arzantina
Taorian'ny fizahana ara-pahasalamana, hijanona ao Arzantina ihany i Arturo, ilay Orsan'ny Tendrontany. Nangataka ny hanatsarana ny fepetran'ny tontolo misy azy ny olon'i Mendoza sy ireo fikambanana samihafa.