Tantara mikasika ny Venezoela
Hetsika Do Do Do: Mihaza ireo feon'ny mpanohitra ao Venezoela
Ao anatin'ny faratampon'ny famoretana ao Venezoela, ny Operation Knock Knock dia fanentanana doxxing izay tohanan'ny fitondrana Venezoeliana mba handrahonana sy hanenjehana ireo mpifidy, mpanao gazety, mpikatroka ary mpitarika pôlitika sy mpitarika vondrom-piarahamonina.
GV webinar: Ny Abidin'ny Famoretana Ankihy ao Venezoelà
Amin'ity webinar ity isika hijery ny “fonosam-”pitaovana famoretana ankihy fanaon'ny fitondrana Venezoelàna,, ny fomba nivoarany ara-potoana, ary hamakafaka ny fomba nampiasana azy ireo taorian'ny fifidianana filoham-pirenena tamin'ny 28 Jolay.
Hetsika iray manan-tantara, Venezoeliàna niaraka niasa hampibaribary ny hosoka nataon'i Maduro tamin'ny fifidianana
Sambany teo amin'ny tantaran'i Venezoelà no nisy kandidà mpanohitra nahazo firaketana an-tsoratra marobe. Ho an'ny maro, asehon'io ny trangana hosoka marobe mahamenatra nataon'i Maduro
Venezoelà, mihevaheva mifandanja amin'ny voka-pifidianana eny ambony mizàna ny habaka sivily ao an-toerana
Tena henjana ho an'ny fiarahamonina sivily ireo olana, satria tandindonin'ny ho fikatonana tanteraka ny habaka sivily eo ambany fitondràn'ny fitantanana vaovaon'i Maduro
Venezoelàn'i Maduro, zaza maditran'ny ankavia ao Amerika Latina
Mbola nifandray tamin'ny Venezoelàn'i Maduro ihany ireo governemanta ankavia tao Amerika Latina na dia efa niròna ho amin'ny tsirefesimandidy aza. Hamarana izany fifandraisana izany ve ny taona 2024?
Venezoela: Ny zavatra rehetra tokony ho fantatrao momba ny taratasy fitanana an-tsoratra sarobidy
Betsaka ny azo lazaina momba ny taratasy fitanana an-tsoratra ny fifidianana Venezoelàna, saingy tsy dia takatra loatra. Ity misy fanazavana momba ireo latsa-bato manan-danja ireo, ny toerana misy azy ireo sy ny hoe iza no manana azy ireo.
Fifidianana filoham-pirenena ao Venezoelà: Tsy malalaka indrindra noho ny hatramin'izay
Antomotra ny fifidianana filoham-pirenena ao Venezoelà amin'ny 28 Jolay, afa-misalotra kandidà azo iainana ve ny mpanohitra? Avelan'i Maduro hifaninana ve izay rehetra mandrahona azy ara-pifidianana?
Ahoana no andoavan'ny governemantan'i Maduro vola hampiroboroboana propagandy sy fandisoam-baovao ao Venezoelà
Mivelatra an-tambajotra sosialy ny propagandy ofisialin'ny governemantan'i Nicolás Maduro noho ny asan'ny olom-pirenena izay mandray vola avy amin'ny governemanta mba hampivadika ny fironana ao amin'ny X, Facebook ary Instagram.
Niteraka hatezerana nanerana an'i Amerika Atsimo ny famonoana an'i Julieta Hernández, vehivavy Venezoeliana mpifindra monina any Brezila.
Mpanakanto an-dalambe be mpankafy, mpanao hatsikana sady mpiaro ny mpitondra bisikileta i Hernández Martínez. Araka ny voalazan'ny polisy sivily Amazonas, mpivady iray teo an-toerana no niaiky ny heloka bevava namono ilay mpanakanto.
Tatitra Unfreedom Monitor : Venezoelà
Efa anaty tatitra iray izao ny valim-pikarohan'ny Advox momba ny tsirefesimandidy nomerika ao Venezoelà. Vakio ny tsonga iray dia trohy ny pdf manontolo momba izany