Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jolay, 2019
Arzantina: Ny olana amin'ny fiarandalamby
Lohahevitra mahamenatra ho an'ireo Arzantina maro ny fitokisana fiaran-dalamby. Milaza ny sasany amin'ireo fitarainana goavana fa tsy mba raharahiana ny fiarandalamby, tara foana izy ireo, miova foana ny ora fiaingàina, ary marobe ireo loza miseho.
Shina: Rahonan'ny sivana aterineto Amerikana
Andro vitsy taorian'ny kabarin'ny Sekreteram-panjakana amerikana Hillary Clinton momba ny fahalalahan'ny aterineto, nosakanan'ny SourceForge.net (fitehirizana loharano kaody tovozona malalaka) ny fidirana amin'ny adiresy IP avy any Kiobà, Iran, Korea Avaratra, Sodana ary Syria.
Breziliana “mpifindra-monina tsy manana taratasy” lasa “solombavambahoaka ao Espaina”
Vokatry ny fikatrohana ara-tsosialy an-taonany maro teo anivon'ny antoko sy ny asany ho an'ny fiarovana ny zon'olombelona ao Katalona no anton'ny fanendrena an'i Dantas teo amin'ity toerana ity.








