· Aogositra, 2009

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Aogositra, 2009

Kioba: Ny Maleconazo

  18 Aogositra 2009

Ny 5 Aogositra dia manamarika ny tsingerintaona faha-15n-n'ny fitraorana lehibe indrindra natrehin'ny governemanta revolisioneran'i Castro hatramin'ny taona voalohany nandresen'ny revolisiona: Ny Maleconazo

Porto Rico: miady tanim-panjakana

  15 Aogositra 2009

Mponin'i Villas del Sol – saripikan'i José Antonio Rosario nahazoana alalana tamin'ny Prensa Comunitaria. Vao namoaka didy ny fitondrana Porto Rikana hanaisotra any Villas del Sol fokontany any Toa Baja,...

Uruguay: CIP, Vohikala ho an’ireo horonantsary sy ireo sarimihetsika fohy

  14 Aogositra 2009

Antsoin-dry zareo hoe fomba iray hafa hamoahana ireo video vokariny izy ity mba tsy hifaninanany amin’ireny video novokarina tany an-trano ho fankalazana tsingerintaona ireny, ireo videoan-tsaka ary ireo horonantsarin-kira ho an’ny karaoke. Tanora roa avy any Uruguay no nanapa-kevitra hanova ny zava-misy ka namorona ny Cip, vohikala natokana hanehoana ny sarimihetsika novokarin'ireo mpamokatra horonantsary mahaleontena, izay afaka maka ny sarimihetsika nataon-dry zareo avy any amin’ny toeran-drakitra any ary mizara izany amina fiaraha-monina midadasika kokoa

Ekoatora: Ny fahalasanan'ilay mpanoratra Jorge Enrique Adoum

  10 Aogositra 2009

Mitomany ny fahalasanan'i Jorge Enrique Adoum ireo Ekoatorianina, izay nolazain'i Pablo Neruda nahazo ny loka Nobel indray fa "ny ngezalahy amin'ireo poety any Amerika Latina." Maro ny mpitoraka blaogy miombon-kevitra amin'izany, indrindra fa nanolotra fahatsiarovana manokana an'i "Jorgenrique," izay nanampy tamin'ny fametrahana mari-pamantarana ny asa fanoratana teo amin'ny firenena, ireo mpitoraka blaogy ireo, niaraka tamin'ireo mpanoratra sy mpanakanto hafa.