Ny Fomba Nanakanan'ny Fitsarana Avo Tao Brezila An'i Lula Tsy Haneho Hevitra Talohan'ireo Fifidianana Breziliana

Havana vao mangiran-dratsy, tazana avy eny amin'ny sarivongan'ny Fitsarana | Sary: Fellipe Sampaio/Supremo Tribunal Federal/Divulgação
[Amin'ny fiteny Portogaly avokoa ny rohy rehetra, afatsy izay misy filazàna manokana]
Niatrika ady mafy Ny Fitsarana Avo Federaly (STF) teo amin'ny fandraisana fanapahankevitra ara-pitsarana teo anivon'ireo fifidianana izay isan'ny nifandroritana indrindra tao Brezila, hahafahany manapaka raha toa ka afaka ny haneho hevitra amin'ny haino aman-jery Breziliana na tsia ilay filoha teo aloha, Luiz Inácio Lula da Silva,voatazona am-ponja efa hatramin'ny 7 Aprily .
Ny faran'ny volana Septambra, ny gazety Folha de São Paulo, iray amin'ireo sampana filazam-baovao lehibe indrindra ao an-toerana no nanao fangatahana, tamin'ilay mpitsara tompon'andraikitra an'ny fanatanterahana ny didy manameloka an'i Lula, mba ho afaka hanao antsafa amin'ilay filoha teo aloha, izay nampidirina am-ponja noho ny famotsiam-bola sy fanaovana kolikoly an-kolaka. Nolavina anefa izany fangatahana izany ary noentin'ilay gazety teo anoloan'ny STF amin'ny anaran'ny fahalalahan'ny fanaovana gazety ilay raharaha.
Tamin'ny filazàna fa misy karazana lalàna miantoka ny ” zon'ireo olona voatazona am-ponja,na breziliana izy na vahiny, hamela ny sampana fanaovana gazety hanao fanadihadiana, raisina ho tahaka ny zo ahafahana miaro tena”, ka nomen'ilay mpitsara Ricardo Lewandowski avy ao amin'ny STF alàlana ho afaka atao sy ho alefa ny 28 septambra ilay fanadihadiana.
Ny alin'ny 28 Septambra anefa dia naaton‘Ingahy Luiz Fux izany fanapahankevitra izany amin'ny maha filoha lefitry ny STF azy. Izany fangatahana fampiatoana izany dia avy amin'ny Partido Novo (Antoko Vaovao), antoko liberaly izay manindrahindra ny varotra malalaka sy ny fahalalahan'ny tsirairay.
Nilaza ilay mpitsara Fux fa voarara ho an'ilay filoha teo aloha ny “fanaovana antsafa na fanambaràna amin'ny fampahalalam-baovao, na amin'ireo sampana filazambaovao hafa natao hizara vaovao ho an'ny daholobe”. Ankoatra izay, raha toa ka “efa misy antsafa na fanambaràna efa notontosain'ilay andaniny, dia tsy azo atao mihitsy ny mandefa izany rakitra izany, fa raha tsy izany dia horaisina ho fanaovana heloka tsy fankatoavana”.
Araky ny nambaran'i Fux, “ahiana mafy ny mety haha-loharanonà torohay diso ny fandefasana mialohan'ny fifidianana ilay antsafa nataon'i Lula da Silva , izay fangatahana nolavina”. Nilaza ilay ministra noho izany fa “fampirindràna manokana ny fahafahan'ny asa fanaovana gazety izany”
Ho valin'izay, nanamafy ny fanapahankeviny indray ary nanome baiko ny hanatanterahina izany ilay mpitsara Ricardo Lewandowski. Notsipihany manokana koa fa tsy manana fahefana ny hitsipaka ny fanapahankeviny i Fux, nanamafy ilay mpitsara fa ny fitondrana ilay fanapahankevitra amin'ny fivoriana manaraka dia manafoana avy hatrany ny hevitry ny STF.
Telo andro taorian'izay, anjaran'ilay filohan'ny STF indray no naneho ny heviny. Naneho ny fanoherany ny fandefasan'ny Ministeran'ny filaminam-bahoaka fangatahana fanazavàna ilay mpitsara Dias Toffoli. Nanambara izy fa tokony ho hotanterahana ny fampitsaharanny a fanapahankevitra navoakan'ny mpitsara Luiz Fux mandra-pandaminan'ny fivoriamben'ny mpitsara azy.
Noho izany, tazonina ny fandraràna ilay filoha teo aloha Lula tsy hahazo haneho hevitra ampahibemaso, ary koa ny fanaovana fanadihadiana manokana aminy. Ankoatran'ny antsafa nokasain'i Folha de São Paulo, izay saika hiarahana tamin'ilay mpanao gazety Florestan Fernandes Jr. dia voarara avokoa ireo nokasaina hatao niaraka taminà filazambaovao hafa aza.
Tao amin'ilay antsafa nataon'i la Folha, mpampakateny manokana ho amin'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety avy ao amin'ny Kaomisiona iraisan'ny samy Amerikana momba ny Zon'olombelona avy amin'ny Fikambanan'ireo Fanjakana Amerikàna (OEA) , nanambara i Edison Lanza hoe :
A decisão de proibir a realização e difusão de uma entrevista por parte da imprensa, a meu ver, constitui censura prévia e afeta o direito de liberdade de expressão do protagonista da entrevista, assim como do meio de comunicação que quer fazer seu trabalho de perguntar e informar o público
Araky ny hevitro manokana, efa sivana mialoha sahady ary fanitsakitsahana ny zon'ilay olona nokasaina hanaovana fanadihadiana tsy ho afaka haneho hevitra ilay fanapahankevitra handràra ny filazam-baovao tsy hanao antsafa, ary fanitsakitsahana ny sehatra filazambaovao te-hanao ny asany izay ny fanomezam-baovao ny vahoaka.
Fanehoankevitra

Ny minisitra Dias Toffoli mitarika ny fivorian'ny STF. Sary: Nelson Jr./Tribunal Suprême Fédéral
Ny ady momba ny fanapahankevitra teo anivon'ny STF no vao mainka nanamafy ny hetsika nataon'ireo rafitra maro mpisolo tena ny sehatry ny filazambaovao. Taorian'ilay fanapahankevitra voalohany noraisin'ilay mpitsara Luiz Fux, izay niresaka momba ny “fampirindràna manokana ny fahafahan'ny asa fanaovana gazety “, namoaka fanambaràna ny fikambanan'ireo breziliana mpanao gazety mpanao fikarohana lalina (ABRAJI) izay nanamafy fa “sarotra ny hampirindra ny fahafahana maneho hevitra amin'ny fameperana sy fanivànana”, ka nangatahany ny tribonaly mba hamerina indray ny fifanarahana nosoniavin'ny Fitsaràna nandritra ilay fanafoanana ny lalàna momba ny filazam-baovao izay milaza fa :
não cabe ao Estado, por qualquer dos seus órgãos, definir previamente o que pode ou o que não pode ser dito por indivíduos e jornalistas (…) a censura governamental, emanada de qualquer um dos três Poderes, é a expressão odiosa da face autoritária do poder público
Tsy andrakitry ny Fanjakana, na ny rafitra hafa, ny mamaritra mialoha ny zavatra azon'ny olona na ny mpanao gazety lazaina na tsia (…) ny sivana ataon'ny fanjakana, izay alefan'ny iray amin'ireo fahefana telo ireo dia fanehoana am-pahasahiana ny endrika tsy refesimandidy ananan'ny fanjakana.
Ny Federasiona Nasionalin'ny mpanao gazety (FENAJ) koa dia namoaka tatitra taorian'ny fanamafisana ny fanapahankevitry ny mpitsara Toffoli. Toherin'io Federasiona io ny sivana ary nilaza izy ireo fa “Voatohintohina ny demokrasia breziliana satria ireo andrim-panjakana natao hiahy azy indray no manolana ny fanjakana demokratika”, tamin'ny fanasokajiana ny fihetsiky ny STF ho “Tsy azo ekena”.
Tamin'ny lantompeo tsy dia nitratrevatreva loatra, notohanan'ny ABI (fikambanan'ny gazety breziliàna) ihany koa, na dia voararan'ny lalàna momba ny fanagadràna aza, mateti-pitranga ny antsafa ifanaovana amin'ireo olona voatazona am-ponja eo amin'ny filazam-baovao breziliana, tamin'ny fiaikena kosa anefa fa tena “tsy manam-paharoa” ny an'ilay filoha teo aloha voafonja. Nanazava koa ilay Fikambanana tamin'ny filazàny hoe tsy ho avy amin'ny “fahamafisana hatoka na ny fivaivain'ny fampielezankevitra politika ankehitriny” ny vahaolana amin'io disadisa io .
Ny toeran'ny filazambaovao ao Brezila

Ilay Filohan'ny Tribonaly Federaly Faratampony , Ny Ministra Dias Toffoli, mamory mpanao gazety| Sary: Rosinei Coutinho/Tribonaly Federaly Faratampony
Tao anatin'ilay fanadihadiana farany momba ny fampilaharana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety nataon'ny fikambanana tsy miankina, Reporters Sans frontières (RSF), Brezila no eo amin'ny laharana faha 102 amin'ny firenena 180. Toerana izay lazaina ho “tena tsy azo antoka”. Mbola araky ny RSF ihany, Brezila no isan'ny firenena tena mpanao herisetra be indrindra amin'ny mpanao gazety ao Amerika Latina. Midona amin'ny herisetra sy ny fitazonana an'ireo vohikala mpanome vaovao an'ireo fikambanana vitsivitsy mifandray aminà antoko na politisiana ny fahafahan'ny asa fanaovana gazety.
Ny rafitra araky ny lalàna sy ireo andrim-panjakana mikendry ny hiaro ny mpanao gazety sy ny loharanony koa moa tsy ampy. Ankoatran'ny fanaovana ramatahora ny ainy sy ny vatany, atahoran'ireo breziliàna mpanao gazety ihany koa ny fanasaziana avy amin'ny fanjakana, izay indraindray tena atidohan'ny fanaovana raharaham-pitsaràna mihoam-pampana.
Na teo aza ireo fandrosoana vitsivitsy somary menamenatra naterak'ireo fanapahankevitra natao hiarovana ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety, lasa lampihazon'ny fifandirana ny STF, fifandirana izay nandresen'ny tombontsoa politika teo anatrehan'ny fahalalahan'ny asa fanaovana gazety.
Raha toa ka mbola fampiatoana ilay antsafa atao amin'i Lula aloha hatreto no fanapahankevitra farany mandra-pisian'ny fivorian'ny STF indray, zavatra iray mibaribary tamin'ny fifidianana ny h filohampirenena ny famelezana ny fahafahan'ny fanaovana gazety. Araky ny voalazan'ny ABRAJI, ny taona 2018, trangàna herisetra miisa 137 natao tamina mpanao gazety maro no efa voarakitra tao anatin'ny sehatry ny politika, antoko sy fifidianana. Miha mitombo hatrany io isa io raha toa ka mitombo ihany koa ny fiffandroritan'ireo antoko ary ireny famelezana ny filazambaovao ireny no ambetin-tenin'ireo Kandidà amin'ny fifidianana ho filoha, na ireo antoko na ireo mafàna fo politika.
Atombohy ny resaka
Tantara Malaza Indrindra Manerantany
Mpiserasera Facebook?
Araho Twitter
Hevitra farany
Taorian'ny Nilazan'Ilay Ministra Indiana Hoe 'Indraindray Tsara Ny Fanolanana', Mijoro...
LALANA IZANY
Hong Kong: 'Raha Afaka Mampirafy Ny Lehilahy? Nahoana Kosa Ny...
ny fampirafesana dia fomba mamohehatra hitovizan'ny olona sy ny biby ary ny lehilahy no mpanao...
Tahiry isambolana
- Marsa 2021 10 Lahatsoratra
- Febroary 2021 50 Lahatsoratra
- Janoary 2021 49 Lahatsoratra
- Desambra 2020 45 Lahatsoratra
- Novambra 2020 35 Lahatsoratra
- Oktobra 2020 42 Lahatsoratra
- Septambra 2020 46 Lahatsoratra
- Aogositra 2020 49 Lahatsoratra
- Jolay 2020 51 Lahatsoratra
- Jona 2020 59 Lahatsoratra
- Mey 2020 41 Lahatsoratra
- Avrily 2020 61 Lahatsoratra
- Marsa 2020 40 Lahatsoratra
- Febroary 2020 50 Lahatsoratra
- Janoary 2020 53 Lahatsoratra
- Desambra 2019 109 Lahatsoratra
- Novambra 2019 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2019 103 Lahatsoratra
- Septambra 2019 94 Lahatsoratra
- Aogositra 2019 89 Lahatsoratra
- Jolay 2019 166 Lahatsoratra
- Jona 2019 234 Lahatsoratra
- Mey 2019 190 Lahatsoratra
- Avrily 2019 202 Lahatsoratra
- Marsa 2019 159 Lahatsoratra
- Febroary 2019 174 Lahatsoratra
- Janoary 2019 291 Lahatsoratra
- Desambra 2018 204 Lahatsoratra
- Novambra 2018 316 Lahatsoratra
- Oktobra 2018 307 Lahatsoratra
- Septambra 2018 172 Lahatsoratra
- Aogositra 2018 200 Lahatsoratra
- Jolay 2018 248 Lahatsoratra
- Jona 2018 216 Lahatsoratra
- Mey 2018 207 Lahatsoratra
- Avrily 2018 230 Lahatsoratra
- Marsa 2018 165 Lahatsoratra
- Febroary 2018 143 Lahatsoratra
- Janoary 2018 186 Lahatsoratra
- Desambra 2017 177 Lahatsoratra
- Novambra 2017 148 Lahatsoratra
- Oktobra 2017 224 Lahatsoratra
- Septambra 2017 165 Lahatsoratra
- Aogositra 2017 228 Lahatsoratra
- Jolay 2017 180 Lahatsoratra
- Jona 2017 227 Lahatsoratra
- Mey 2017 227 Lahatsoratra
- Avrily 2017 152 Lahatsoratra
- Marsa 2017 134 Lahatsoratra
- Febroary 2017 129 Lahatsoratra
- Janoary 2017 112 Lahatsoratra
- Desambra 2016 103 Lahatsoratra
- Novambra 2016 136 Lahatsoratra
- Oktobra 2016 158 Lahatsoratra
- Septambra 2016 142 Lahatsoratra
- Aogositra 2016 142 Lahatsoratra
- Jolay 2016 129 Lahatsoratra
- Jona 2016 132 Lahatsoratra
- Mey 2016 152 Lahatsoratra
- Avrily 2016 126 Lahatsoratra
- Marsa 2016 115 Lahatsoratra
- Febroary 2016 114 Lahatsoratra
- Janoary 2016 125 Lahatsoratra
- Desambra 2015 86 Lahatsoratra
- Novambra 2015 128 Lahatsoratra
- Oktobra 2015 131 Lahatsoratra
- Septambra 2015 129 Lahatsoratra
- Aogositra 2015 142 Lahatsoratra
- Jolay 2015 109 Lahatsoratra
- Jona 2015 108 Lahatsoratra
- Mey 2015 107 Lahatsoratra
- Avrily 2015 115 Lahatsoratra
- Marsa 2015 110 Lahatsoratra
- Febroary 2015 106 Lahatsoratra
- Janoary 2015 47 Lahatsoratra
- Desambra 2014 99 Lahatsoratra
- Novambra 2014 81 Lahatsoratra
- Oktobra 2014 100 Lahatsoratra
- Septambra 2014 102 Lahatsoratra
- Aogositra 2014 95 Lahatsoratra
- Jolay 2014 146 Lahatsoratra
- Jona 2014 99 Lahatsoratra
- Mey 2014 94 Lahatsoratra
- Avrily 2014 94 Lahatsoratra
- Marsa 2014 71 Lahatsoratra
- Febroary 2014 127 Lahatsoratra
- Janoary 2014 125 Lahatsoratra
- Desambra 2013 137 Lahatsoratra
- Novambra 2013 137 Lahatsoratra
- Oktobra 2013 133 Lahatsoratra
- Septambra 2013 106 Lahatsoratra
- Aogositra 2013 47 Lahatsoratra
- Jolay 2013 114 Lahatsoratra
- Jona 2013 103 Lahatsoratra
- Mey 2013 76 Lahatsoratra
- Avrily 2013 116 Lahatsoratra
- Marsa 2013 118 Lahatsoratra
- Febroary 2013 95 Lahatsoratra
- Janoary 2013 126 Lahatsoratra
- Desambra 2012 158 Lahatsoratra
- Novambra 2012 210 Lahatsoratra
- Oktobra 2012 124 Lahatsoratra
- Septambra 2012 75 Lahatsoratra
- Aogositra 2012 135 Lahatsoratra
- Jolay 2012 147 Lahatsoratra
- Jona 2012 80 Lahatsoratra
- Mey 2012 97 Lahatsoratra
- Avrily 2012 118 Lahatsoratra
- Marsa 2012 170 Lahatsoratra
- Febroary 2012 106 Lahatsoratra
- Janoary 2012 101 Lahatsoratra
- Desambra 2011 80 Lahatsoratra
- Novambra 2011 91 Lahatsoratra
- Oktobra 2011 142 Lahatsoratra
- Septambra 2011 99 Lahatsoratra
- Aogositra 2011 110 Lahatsoratra
- Jolay 2011 93 Lahatsoratra
- Jona 2011 94 Lahatsoratra
- Mey 2011 87 Lahatsoratra
- Avrily 2011 108 Lahatsoratra
- Marsa 2011 160 Lahatsoratra
- Febroary 2011 130 Lahatsoratra
- Janoary 2011 98 Lahatsoratra
- Desambra 2010 57 Lahatsoratra
- Novambra 2010 59 Lahatsoratra
- Oktobra 2010 82 Lahatsoratra
- Septambra 2010 89 Lahatsoratra
- Aogositra 2010 96 Lahatsoratra
- Jolay 2010 101 Lahatsoratra
- Jona 2010 38 Lahatsoratra
- Mey 2010 44 Lahatsoratra
- Avrily 2010 43 Lahatsoratra
- Marsa 2010 52 Lahatsoratra
- Febroary 2010 47 Lahatsoratra
- Janoary 2010 31 Lahatsoratra
- Desambra 2009 32 Lahatsoratra
- Novambra 2009 28 Lahatsoratra
- Oktobra 2009 36 Lahatsoratra
- Septambra 2009 49 Lahatsoratra
- Aogositra 2009 58 Lahatsoratra
- Jolay 2009 30 Lahatsoratra
- Jona 2009 26 Lahatsoratra
- Mey 2009 68 Lahatsoratra
- Avrily 2009 12 Lahatsoratra
- Marsa 2009 36 Lahatsoratra
- Febroary 2009 70 Lahatsoratra
- Janoary 2009 62 Lahatsoratra
- Desambra 2008 89 Lahatsoratra
- Novambra 2008 14 Lahatsoratra
- Oktobra 2008 51 Lahatsoratra
- Septambra 2008 51 Lahatsoratra
- Aogositra 2008 70 Lahatsoratra
- Jolay 2008 106 Lahatsoratra
- Jona 2008 65 Lahatsoratra
- Mey 2008 95 Lahatsoratra
- Avrily 2008 160 Lahatsoratra
- Marsa 2008 94 Lahatsoratra
- Febroary 2008 20 Lahatsoratra
- Janoary 2008 231 Lahatsoratra
- Desambra 2007 87 Lahatsoratra
- Novambra 2007 104 Lahatsoratra
- Oktobra 2007 111 Lahatsoratra
- Septambra 2007 33 Lahatsoratra
Faly be aho fa misy olona tia ny teny Malagasy toa ahy. Mirehareha aho amin'ny...
Raha ny fahalalako azy, toa fanerena avy amin'ny Banky Foiben'ny Madagasikara io sora-bola tsy maintsy...
Miarahaba an'i Naritsimba, ary izaho koa rehefa mieritreritra hoe banky dia ireo bankin'ny vazaha foana...