Akatòny

Fitia Tsy Mba Hetra Hampijoro Tsara Hatrany Ny Global Voices

Mila fanohanana avy amin'ny namana sy ny mpamaky toa anao ny fikambananay hitoerany ho mahaleotena, maimaim-poana, ary hahazaka miasa maharitra!

Manomeza anio

Hijery ny Tenim-Pirenena rehetra? Mandika ny tantaran'ny Global Voices izahay mba ho hitan'ny rehetra ny fitantaran'olo-tsotra manerantany.

· Mey, 2011

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Mey, 2011

30 Mey 2011

Toekarena Erantany: Ny Lanjan'ny Vehivavy Amin'ny Resaka Fahantràna, Asa ary Trosa

Ny fanehoan'ny International Museum of Women / Tranombakoka Iraisam-pirenena ho an'ny Vehivavy teo anivon'ny aterineto mikasika ireo vehivavy sy ny toe-karena, manasongadina sary mifandimby, podcasts, lahatsary sy andrana momba ireo vehivavy any amin'ny firenena toa an'i Sodana, Danemarka, Filipina, Etazonia, Costa Rica, Meksika, Arzantina sy ny fahitan'izy ireny ny olana...

Brezila: Saripika avy amin'ny kiendiendim-panoheran'ny “Olona Samihafa”

Tsy fantatra tsara aloha raha ho tontosa ihany na tsia ny fananganana ny garan'ny lalamby ambanin'ny tany ao Higienópolis na tsia taorian'ny fihetsiketsehana kiendiendy na tsia, fa niteraka famoronan-javatra isan-karazany tamin'ny mpisera aterineto izany. Jereo ao amin'ity lahatsoratra ity ny sary sy lahatsary tsara indrindra notsongaina avy amin'ilay kiendiendy goavana.

29 Mey 2011

Meksika: Miara-mihira amin'ny mpianatra nandritra ny fifampitifirana

Niely haingana dia haingana amin'ny firenena mpiteny espaniola ny lahatsary YouTube iray mampiseho mpampianatra garabola iray miara-mihira amin'ny mpianany hampitony ny ankizy nandritra ny fifampitifirana iray tany Monterrey, Meksika.

26 Mey 2011

Teknolojia ho amin'ny fangaraharana: Tatitra farany

Teknolojia mampangarahara asa

Faly ny Tambajotran'ny teknolojian'ny fangaraharana fa mivoaka izao ny tatitra farany , Sarintanin'izao tontolo izao momba ny fampiasana ny teknolojian'ny fangaraharana sy ny asa madio. Vao navoakan'ny Transparency and Accountability Initiative (@TAInitiative) miaraka amin'ny tatitra am-polony hafa momba ny hetsika fampangaraharana asa manerana izao tontolo izao izy io. Mifototra amin'ny...

25 Mey 2011

Ekoatora: Fandalinan'ny Vahoaka Ny Vokatry ny Fitsapan-kevibahoaka

Ny vokatry ny fitsapan-kevibahoaka tao Ekoatora farany teo, izay ankoatry ny zavatra hafa rehetra ka nanome fahefana bebe kokoa ny Filoha Rafael Correa manolona ny fitsarana sy ny media, dia niteraka fifanakalozan-dresaka mikasika ny fampielezan-kevitra sy ny fifidianana ary nitondra fampisaintsainana teo amin'ny sehatra rehetra misy ao anatin'ny fiarahamonina Ekoatoriana...

24 Mey 2011

Ekoatora: Telo Taona Taorian'ny Lozabe “Factory”

Ny 19 Aprily 2011 no nanamarika ny faha-3 taonan'ilay Tantara malazan'ny Factory: ny firehetana tao amin'ny Factory, toeram-pandihizana iray tao Quito tamin'ny 2008, tamin'izay no nisy fampisehoana Gothic-rock. 19 no maty vokatr'ilay firehetana ary 24 no naratra mafy. Tamin'ity tsingerintaona ity, nisy fanomezam-boninahitra sy hetsika iray natao mba hanentanana ny...

22 Mey 2011

Brezila: Tandindonin-doza ny hoavin'ny ala

Tao anaty herinandro vitsivitsy farany teo, nahoraka ny kongresim-pirenena breziliana niaraka tamin'ny fanerena hifidianana ny lalàna vaovao mifehy ny rano sy ny ala. Ilay tetik'asa natolotra, izay nifantoka tamin'ny fanovana ny lalàna efa nisy teo aloha, dia neken'ny fivondronan'ny solombavam-bahoaka atao hoe "Ruralist front" na ny mandan-tehezan'ny tantsaha. Ireo mpandala...

20 Mey 2011

Panama: Fahatsiarovana an'i Raúl Leis

Tamin'ny 30 aprily, nodimandry tampoka ilay sôsiology sady mpanoratra Raul Leis. Taorian'ny nahafatesany, nivoaka tamin'ny gazety sy tany amin'ny bilaogy ny asa sorany sy ny momba azy, izay nanasongadina ny zava-bitany, ny nataony sy ny fandraisany anjara tamin'ny fiaraha-monina Panameana. Tao koa ny teny mampihetsim-po nanaovam-beloma azy sy ny fampahafantarana...

19 Mey 2011

Costa Rica: Andro Hanoherana Ny Tsy Fankasitrahana Ireo Olona Mitovy Nefa Mifanambady

Nankalaza ny andro tsy fankasitrahana ireo olona mitovy nefa mifanambady ny 17 May teo, ary na teo anivon'ny aterineto nataty ivelany dia samy nankalaza ny fahasamihafana ara-pananahan'ny olona.

16 Mey 2011

Ho Fahatsiarovana an'i Paulina Aguilera, Mpanoratry ny Global Voices

Malahelo mafy tokoa izahay tamin'ny nahafatesan'i Paulina Aguilera Muñoz, mpanoratry ny Global Voices, mpanao gazety, mpitoraka bilaogy, ary renim-pianakaviana niteraka roa. Avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, nandefa ny fiaraha-miory sy mari-panajana ho an'ilay mpiaro tsy misy fepetra ny zon'olombelona izahay