· Jolay, 2010

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Jolay, 2010

Brezila: Herisetra mianjady isan'andro amin'ny vehivavy

Any Brezila, vehivavy 10 isan'andro no maty misy mamono. Ilay famonoana vehivavy tsy ela akory izay, nataon'ilay eritreretina ho rain-janany, sady mpiandry tsatokazo Breziliana tokony hanana ny hoaviny, dia nanainga adihevitra mikasika ny herisetra atao amin'ny vehivavy teo amin'ny tontolon'ny fitorahana blaogy.

22 Jolay 2010

Chili: Manomboka any Californie hatrany Chili eny ambony “biodiesel”

Niara-nitety tany nandritra ny enim-bolana i Maria Jose Calderon sy Carlos Herrera manombok any California, any Etazonia ka hatrany Chili, amin'ny fiara "biodiesel". Nitety an'i Amerika Atsimo izy ireo hijery ireo epetra raisin'ireo mponina hanampiana ny tontolo iainana, ary nandrakitra ireo zavatra hitany sy ny diany tamin'ny alalana horonantsary, saripika ary lahatsoratra blaogy.

11 Jolay 2010

Brezila: Ny baolina kitra sy ny fitiavan-tanindrazana nandritra ny mondialy

Maro ireo mpitoraka bilaogy any Brezila no nanakiana ny fivadibadiky ny onjan'ny fitiavan-tanindrazana niseho tamin'ny fiadiana ny tompon-dakan'ny amboara eran-tany . Endriky ny foto-kevitra fasista ny fitiavan-tanindrazana ho an'ny sasany, raha toa ka midika fahadisoam-panantenana kosa ny ekipa Breziliana ho an'ny hafa ka aleon'izy ireo manohana ny ekipam-pirenen'i Arzantina .

10 Jolay 2010

Maneran-tany: Tsy matoan-dahatsoratry ny fampahalalam-baovao ny fiparitahan'ny solitany

Misarika ny fifantohan-tsain'izao tontolo izao ilay fiparitahan'ny solitany tany amin'ny Elodranon'i Meksika, vokatr'izay fanapotehana noho ny tsy fahaiza-mitantana ny fitrandrahana solitany. Na izany aza, any amin'ireo toerana sasany maneran-tany, miaina miaraka amin'ny fandrarahana poizina toy itony ny olona, ary amin'ny alalan'ny horonantsary no hiezahan'ny vahoaka hisintonana ny sain'izao tontolo izao amin'ny fijalian'izy ireo.

01 Jolay 2010