Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Desambra, 2013
Fahatapahana Herinaratra Faobe Mahatonga Ireo Arzantina Ho Fatin-kafanàna
Miteraka olana momba ny angovo ao Arzantina ny maripàna avo be mitranga any, mamela ireo vahoaka marobe ho ao anaty haizina.
Facebook Amin'ny Teny Guarani: Inona No Ataon'ny Facebook Any Paragoay?
Inona no tadiavin'i Facebook anatinà tsenam-barotra ahitàna mponina 6,9 tapitrisa monja? Mitafatafa miaraka amin'i Laura Gonzalez Eestéfani, Talen'ny Firobroboan'i Amerika Latina ao amin'ny Facebook, i Gabriela Galilea.
Lasa “Toerana Masina ho an'ireo Trozona sy Fesotse (Dauphin)” i Orogoay
Nankatoavin'ny Mpanao lalàna ao amin'ny firenena ny lalàna vaovao rny fihazàna, ny jono, na ny fampijaliana ireo trozona sy ireo fesotse (Dauphin), ary navoakan'ny Filoha José Mujica hanan-kery.
Panama : Lalàna Vaovao Hiarovana Ny Mpitandro Filaminana ?
Tsinjon'ny Panameana fa andrana ho fiarovana ny mpitandro filaminana sy ho fampitomboana ny fahazahoany manampatra fahefana ny volavolan-dalàna 651, indrindra taorian'ilay zava-nitranga nampalahelo nahavoarohirohy mpitandro filaminana.
“Tour Builder”, tolotra hafa an'ny Google tsy azo ampiasaina any Kiobà
Manamafy i Google fa ny fanapahankeviny dia mifototra amin'ny fandraràna ara-toekarena ataon'i Etazonia amin'i Kiobà.
Manafika Ny Facebooki-n'i Messi ireo Jiolahim-boto Anaty Aterineto Avy Ao Iran
Nametaka safiotranà tsikera maharikoriko teo amin'ny pejy Facebook-n'ilay mpilalao baolina kitra teratany Arzantina ireo Iraniana alohan'ny fiadiana ny Tompon-daka era-tanin'ny baolina kitra.
Nalaza Haingana Ny Fifandraisan-Tanan'i Barack Obama sy Raúl Castro Tao Amin'ny Lanonam-Pahatsiarovana An'i Mandela
Niley sahala amin'ny afo ny fanehoan-kevitra avy amin'ny fifandraisan-tanana tao amin'ny tambajotra an-tserasera.
Ara-dalàna Ny Famokarana Sy Fivarotana Zava-mahadomelina “Marijuana” Ao Orogoay
Vato 16 manaiky, 13 mitsipaka, nankatoavin'ny Antenimieran-doholona Orogoaiana ny tolo-dalàna izay manao ny famokarana sy fanapariahana marijuana ho ara-dalàna. niteraka onjam-panehoana fomba fijery, na avy ao an-toerana, na avy amin'ny iraisam-pirenena
“Rehefa Mifoka Rivotra Ny Ranomasina”: Taratasy Iray Avy Amin'i Oscar López Rivera, Gadra Politika Puerto Ricain
Mifonja efa ho 32 ao Etazonia i Oscar López Rivera. Ao anatin'ity taratasy ho an'ny zafikeliny vavy ity dia mahatsiaro ny ranomasina izy
SARIPIKA: Toeram-pahatsiarovana 5 Ao Santiago, Chile
Mitari-dalana antsika amin'ireo torana manan-tantara sy misy tsangambato mifandraika tamin'ny fanonganam-panjakana miaramila nitranga tany Chile sy ny fiantraikan'izany tao an-drenivohitra Santiago ny bilaogera Lillie Langtry.