Lahatsary: Mihatsara hatrany ny toe-draharaha iainan'ireo tanora pelaka

(Lahatsoratra teny Anglisy efa tamin'ny volana Novambra 2010)

Natombok'i Dan Savage ho toy ny fomba hanakanana ny tovolahy pelaka tsy hamono tena ny tetikasa It Gets Better, amin'ny alàlan'ny lahatsary manazava ny mety ho fiainan'ny olon-dehibe pelaka: tsara kokoa. Ary avy amin'ny lafivalon'izao tontolo izao, mizara ny tantarany ihany koa ny olon-kafa.

Miresaka momba ny hoe lehibe tao anatin'ny fianakaviana misiônera ara-pivavahana any Israely i Dave, sy ny fomba nahatonga azy hihevitra fa ny fanesorana devoly no vahaolana amin'ny olany sy momba ny ezaka nataony mba hanandrana sy hanamafy ny finoany amin'ny fironana ara-pananahany.

https://youtube.com/watch?v=F3suoRVJ2r0%3Ffs%3D1

Avy any Finlandy, vondron'olona iray no nizara ny zavatra niainan'izy ireo tamin'ny fahalebiazana ho pelaka. Naseho tamin'ny valan-dresaka TedXHelsinki ny lahatsary. Misy dikan-tsotra amin'ny teny Soedoà sy Anglisy:

https://youtube.com/watch?v=ZGPwDTzBEpQ%3Ffs%3D1

Bashar Makhay miresaka momba ny dingana amin'ny fanekena ny maha-izy azy amin'ny maha lehilahy pelaka ao afovoany atsinanana, na araka ny iantsoany ny tenany hoe “Lehilahy progresista Amerikana Kristiana pelaka Kaldeana Irakiana”. Ahitana dikanteny amin'ny teny anglisy ny lahatsary raha manindry ny bokotra cc ianao:

https://youtube.com/watch?v=JBcTjY3D4HQ%3Ffs%3D1

Tanora pelaka Miozolomana iray kosa miresaka momba ny fahalebiazany tao anatin'ny tokantrano Shiita Miozolomana Pakistaney tena mpivavaka: ny fomba niadiany tamin'ny fanorisorenana, ny finoany ara-pivavahana ary ny hevitry ny fianakaviany amin'ny maha-pelaka azy:

https://youtube.com/watch?v=Wj8zBtcgTjA%3Ffs%3D1

Avy amin'ny fiarahamonina miteny Espaniola, misy lahatsary maromaro hita eo ambanin'ny lohateny hoe “Todo va a Mejorar”. Lahatsary iray tahaka izany no navoakan'i Constantino avy any Goatemala izay monina any New York ankehitriny. Miresaka momba ny fihalehibiazany tao anatin'ny fiarahamonina tia tanindrazana tafahoatra izy, ny fisalasalany sy ny fomba fifandraisana sy ny fanarahana ny nofinofiny mety ho lasa lavitra: miaina ny nofinofiny izy ankehitriny.

https://youtube.com/watch?v=Ec5M4ge-HZE%3Ffs%3D1

Amin'ny maha-mpifindramonina taranaka voalohany avy any Gresy azy, greekcub milaza ny maha-zava-dehibe ny tsy fandainganao ny tenanao, na dia eo aza ny fenitra ara-kolontsaina nentim-paharazana izay mety tsy mifanaraka amin'ny fahasambarana, ary amin'ny farany, dia mandrakitra hafatra manokana ho an'ireo zatovo grika pelaka mandalo fotoan-tsarotra izy:

https://youtube.com/watch?v=ukQlql3PvS8%3Ffs%3D1

Ary farany, Kelly Kim manazava amin'ny fiteny ASL mikasika ny nihalehibeazany sy ny fiheverana azy ho marenina sy rahonana, matahotra ny fihetsiky ny fianakaviany Koreana amin'ny maha pelaka azy mandra-panapahany hevitra hampiseho ny marina. Ahitana dikan-tsoratra amin'ny teny Anglisy ny lahatsary:

https://youtube.com/watch?v=L4dZpkpZzBI%3Ffs%3D1

Misy lahatsary maro hafa ao amin'ny tranonkalan'ny It Gets Better Project sy ao amin'ny YouTube. Ary antenaina fa ny tanora rehetra iharan'ny fandrahonana dia afaka mahita fanohanana sy aingam-panahy ao amin'ireo lahatsary sy tantara ireo.

Atombohy ny resaka

Mpanoratra, azafady Hiditra »

Torolalana

  • Miandry fanekena ny hevitra rehetra. Aza alefa in-droa ny hevitra.
  • iangaviana ianao haneho fifanajàna amin'ny hevitra rehetra. Tsy ekena ny hevitra feno fankahalàna, vetaveta, mamely olona manokana.