Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Oktobra, 2018
‘Manampy’ Amin'ny Fanavotana ny Fiteny Zanatany Andeana ireo Mpanoratra ao Amerika Latina
Ankehitriny, efa hita amin'ny teny Quechua (fiteny zanatany Andeana) ny asa soratr'ireo mpanoratra ao Amerika Latina, isan'izany i Mario Vargas Llosa sy Gabriel García Márquez, tamin'ny alàlan'ny hetsiky ny governemanta tao Cusco.
Manangon-bola Hanaovana Horonantsary Fanadihadiana ilay ‘Ôrkesitra Voahodina’ ireo Mpamokatra Horonantsary
Miaina voahodidina fako ireo ankizy ao Cateura, tanàna mahantra ivelan'i Asunción, Paragoay. Aminà toerana izay mahalafo ny lokanga mihoatra nóho ny trano iray, manova ny fiainan'ireo ankizy ireo ilay mpiangaly mozika, Fabio Chavez, amin'ny fampianarana azy ireo hitendry mozika miaraka aminà zavamaneno vita avy amin'ny fako.
Venezoelà: Ilay Poeta Nankafy ireo Zavatra Tsotra teo amin'ny Fiainana
Niaina tanaty fahatsorana hatrany i Nazoa. Naneho ny hakanton'ny andavanandro sy ny fanahy mahatsikaiky misy ao anatin'ny Venezoeliana rehetra izy no sady niaro ny Zon'Olombelona nandritra ny taompolo 60 tao Venezoelà. Manome voninahitra ity poeta ity, izay nanana fitiavana miavaka ireo zavatra tsotra teo amin'ny fiainana, ireo bilaogera Venezoeliana.
Inona no Nampiasa Saina Ireo Mponin'i Amerika Latina Tamin'ny 2016?
"Tena filôzofika, lalina dia lalina ireo ahiahy mampiasa ny sain'ny mponin'i Amerika Latina amin'izao vanimpotoana misy antsika izao."
Pôrnôgrafia ao amin'ny Whatsapp ao Brezila: Adihevitra amin'ny fahalalahana ara-pananahan'ny vehivavy
Tovovavy 19 taona, niharam-boina farany tamin'ny alalan'ny famoahana seho ara-pananahana tao amin'ny tambajotra sosialy.
Honduras: Noho ny rivomahery “Félix”, nipatrapatraka ny bilaogy
« Minoa ahy, tena faran'izay tsy mampahazo aina ny manokatra imailaka ary mamaky momba ireo rivomahery mampididoza – indrindra ho an'olona iray izay tsy mbola niaina velively ny atao hoe rivomahery. »
Miteraka Fihenjanana any Amerika Latina ireo Milina Failandey sy Espaniola Mpamokatra Taratasy
Nahitàna fitomboan'ny fihenjanana teo amin'i Arzantina sy Orogoay tanatin'ireo volana vitsy lasa noho ny fananganana orinasa mpamokatra taratasy, ny malotony izay hirotsaka anatinà renirano iray iombonana. Ny Ence (Espaniola) sy ny Botnia (Failandey) ireo orinasa voakasik'izany.
Tantara antserasera momba ny fialan'ireo Venezoeliana ny fireneny
Azo arahana amin'ny alalan'ny tantara sy toro-hevitra avy amin'ireo izay efa nandao ny firenena ny fahasoratana amin'ny fialàna ao Venezoela mankany amin'ny firenen-kafa.
Però : Bilaogy dimy, lahatsoratra dimy
Atsy ho atsy, ireo orinasa tafapetraka, izay mampiasa vola be, dia hendresy lahatra ireo tompontany mba hivarotra amin-dry zareo ny taniny, ary avy eo hanery ny hafa hanao toy izany koa
Brezila: Bush miatrika hetsipanoherana. Orogoay miomana
Raha miohatra amin'ireo polisy miaramila... tsara fiomanana ilay vehivavy breziliàna mpiblaogy an-tsary, Tatiana Cardeal, niaraka tamin'ny fitaovany fakàny sary, nandritra ireo hetsipanoherana nanoherana ny fitsidihan'ny filoha amerikàna George Bush.