Tantara mikasika ny Pôrtô Rikô (Etazonia)

Porto Riko : Ilay Fahazoandàlana Vaovao Ahafahana Mamono Hazo

Nahatonga fanehoankevitra be teo amin'ny tontolon'ny blaogy Pôrtôrikana ilay fanapahankevitra vao haingana avy amin'ny Sekreteram-Panjakana Momba ny Fambolena ao Pôrtô Rikô. Ao amin'ny nosy Pôrtô Rikô, mila mangataka fahazoandàlana any amin'ny masoivohon'ny harena voajanahary ny olona iray raha te-hanapaka hazo. Izay aloha ny zotra narahina hatramin'ny fotoana nanaovan'ilay Sekretera jeneralin'ilay masoivoho,Javier Velez Arocho, ilay fanapahankevitra ahafahana mahazo avy hatrany alalàna hanapaka hazo

28 Mey 2018

Pôrtô Rikô: Ny lahatsary antserasera ahitana ny hetsi-panoheran'ny mpianatry ny Oniversite

Mbola nihamafy hatrany ny hetsi-panoherana naharitra iray volana manohitra ny fanapahana ny tetibola tao amin'ny Oniversiten'i Pôrtô Rikô, ary navitrika tamin'ny fanaparitahana hatrany ny vaovao tamin'ny alàlan'ny lahatsary antserasera sy ny media sosialy hafa ireo mpianatra nipetraka tao anatin'ny faritry ny oniversite Rio Piedras.

18 Mey 2018

Pôrtô Rikô: Nalahelo Noho Ny Horohorontany Ny Bilaogera

Tokony ho tsaroana amin'ny tantaran'ny heriny sy ny fiaretany tsy manam-petra i Haiti. Haïti no firenena voalohany tany Amerika Latina nahazo ny fahaleovan-tenany, ary repoblika mainty voalohany taorian'ny fanjanahan-tany manerantany. Ankehitriny, tsy maintsy tsaroana mihoatra ny hatramin'izay, ny vahoaka Haitiana sy i Haïti..

27 Marsa 2018