· Septambra, 2010

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Septambra, 2010

Ny sisintany tsy hita maso eo anelanelan'i Ekoatora sy Kolombia

Olana maha-be resaka indray izao ny sisintany eo amin'i Ekoatora sy Kolombia. Ny firenena roa tonta dia manana sisintany mahatratra 586 km (tokotokony ho 365 miles) ary miaraka amin'izay koa ny tantaran'ny fifandirana, ny fifanamelohana avy amin'ny andaniny na ny ankilany sy ny tatitra momba ny fifandonana ara-tafika ary ny famindran-toerana ny mponina.

28 Septambra 2010

Porto-Rico: Esheky maty

Naneho hevitra ao amin'ny Sin mordazas [ES] ny mpahay tantara sady mpamaham-bolongana Ivonne Acosta tamin'ny fandrarana ny filalaovana esheky any amin'ny sekolim-panjakana navoakan'ny minisiteran'ny fanabeazana any Porto-Rico, sy ny fandavan'ny...

25 Septambra 2010

Venezoela: Ny fifidianana amin'ny 26 Septambra, ny fahafanam-po sy ny hevitra ao amin'ny Twitter

Amin'ny 26 Septambra, hifidy mba hanavaozana ny Antenimieram-pirenena ireo Venezoalana, rantsana mpanao lalàna. Iray amin'ireo fitaovana be mpampiasa mandritra ny fanentanana ny Twitter, nampiasan'ireo mpifaninana mba hanaovany ny fanentanany sy ampiasain'ny vahoaka hanohanana ny mpanao politika tiany sy hitenenany ny heviny mikasika ny politika.

24 Septambra 2010

Ekoatera: Ny fikasan'ny mponina hanala ny filoha Rafael Correa eo amin'ny toerany

Nanaparitaka ny teti-panorony ilay mpanao gazety Carlos Vera tamin'ny alalan'ny vohikala, sy tamin'ny fampiasana youtube ary ny blaoginy, mikasika ny fanalàna ny filoha Rafael Correa teo amin'ny toerany mifanaraka ny lalàmpanorenana. Nizara ny heviny momba an'io fikasana io ihany koa ny mpitoraka blaogy sasany, izay nanambara ihany koa ny fanonganana manam-pahefana sasany eo an-toerana izay efa miainga amin'izao fotoana izao.

23 Septambra 2010

Brezila: fanokanana ilay Graffiti lehibe indrindra eran-tany

Nanokana ny grafitti lehibe indrindra eran-tany izay mihoatra ny 37 000 sqaure feet any amin'ny faritr'i Foz do Iguaçu ny Filohan'i Brezila Lula da Silva. Ity faritany ity; malaza amin'ilay riandranon'i Iguaçu sy ny sisintany telo iraisan'i Paraguay, Brezila sy Arzantina, dia hody amin'ireo lalambe migodàna voaravaka manome lanja ny zon'ny ankizy sy ny tanora.

21 Septambra 2010