Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2013
Mampanahy ny Hoavin'ny Trano Famakiam-Pokonolona Ao Porto Rikô
Miavaka ny Trano Famakiam-bokim-pokonolona San Juan, ao Porto Riko. Tsy mba manana kolontsaina momba ny trano famakiam-boky ho an'ny daholobe sy ny vondrom-piarahamonina ity nosy ity, satria natokana ho an'ireo mpikambana amin'ny...
Lasa Nifanandrina ny Football sy ny Labiera ao Panama
Football sy labiera, zava-droa tian'ny Panameana indrindra, no lasa nifandona rehefa nalain'ny orinasa mpamokatra labiera Baru-Panamá [es] ny kaonty bankin'ny Federasiona Panameana Football (FEPAFUT), itakiany onitra $7 tapitrisa dolara amerikana noho ny fanapahana...
Niakatra Ny Tahan'ny Famonoana Vehivavy Ao Meksika
Violeta, tovovavy mpianatra 18 taona no hita faty [es] tao amin'ny làlan-tany ao amin'ny Faritra Chiapas, nahitana dian-dratra ny vatany. Nandritra izany ihany, tao amin'ny Faritra Guanajuato, fatim-behivavy iray antsoina hoe Olga...
Lahatsary: Ny Herisetra Sy Ny Fiarovana Ireo Mpanao Gazety Ao Meksika

Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy rehetra raha tsy misy ny fiovana. Anisan'ny vaovao mbola malaza ny lohahevitra momba ny herisetra ao Meksika. Tamin'ny taona 2011, nikarakara Fetiben'ny Bilaogy ny Global...
Venezoela: Fanombohan'ny Fifamelàna ve?
Ao anatin'ny fisavoritahana [en] sy fifandonana [en] izay nametraka fenitra teny an-dalambe sy any anaty aterineto taorian'ny fifidianana [en] ny 14 aprily, sehatry iray ho an'ny fisaintsainana maro ihany koa ireo fampahalalam-baovaon'olon-tsotra.
#FreeRod (Fanafahana An'i Rodrigo): Fandresena Mialoha Tamin'ilay Raharaha Fakàn-Tahaka Maneso Tamin'ny Twitter

Nitatitra momba ilay mpisera Twitter Shiliana Rodrigo Ferrari, izay manana raharaham-pitsarana noho ny fampiasana kaonty Twitter maka-tahaka maneso ilay milionera Andrónico Luksic ny Global Voices Advocacy tamin'ny volana Marsa. Manam-baovao tsara momba izany...
Venezoela: Miteraka Herisetra Ny Ahiahy Taorian'ny Fifidianana Sy Ny Tsy Fahatokisana
Mitohy ety anaty aterineto sy eny an-dalambe ny fanehoankevitra mivaivay mikasika izay ho vokatry ny fifidianana ao Venezoela, natao tamin'ny 14 Aprily. Feno hafatra an-katezerana sy fifampiangàna avy amin'ny andaniny sy ny ankilany ireo tambajotra sosialy, izay mahatonga fisarahana eo amin'ireo mpomba ny foto-kevitra Chavez sy ireo mpiara-dia amin'ny mpanohitra ny governemanta.
Chile : Velona Indray Ny Hetsiky Ny Mpianatra
(Amin'ny teny espaniola avokoa ny rohy) Niverina tanaty hery tamin'ny alalan'ny fidinana teny an-dalambe nanerana ny firenena Shiliana ny hetsiky ny mpianatra mitaky ny fanabeazana maimaipoana sy tsara. Nifamotoana tany amin'ny...
Nifidy ny Kandidà Mpanohitra Capriles Ny Ankamaroan'Ireo Venezoeliana Ao Panama
Nanaraka akaiky ny fifidianana natao tao Venezoelà tamin'ny Alahady 14 Aprily 2013 lasa teo i Panama, izay ahitana mponina Venezoeliana marobe. Nahitana ny fihetseham-pon'ireo Venezoeliàna monina ao Panama ny tambajotra sosialy, tahaka...
Meksika: Feo Hafa Nampanginina [NOHAVAOZINA]

Tamin'ny 7 avrily lasa teo, nisy mpiserasera amin'ny media sosialy fantatra fotsiny amin'ny hoe Valor Por Tamaulipas nanambara ny fikasany [es] hanakatona ny kaonty Facebook sy Twitter izay lasa nalaza ho loharanom-baovao momba ny herisetran'ny [trafika-na] rongony any avaratr'i Meksika.