Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Avrily, 2015
Vehivavy Ekoatoriana Iray Miady Ny Zony Hamonjena Ny Zaobaviny Amin'ny Famindràna Taova
Daniela Peralta miady amin'ny lalàna Ekoatoriana izay mandràra azy tsy hanome taova hamonjena ny zaobaviny mararin'ny tsy fahafahan'ny voa miasa ara-dalàna.
Fanatanjahan-tena Mahate-ho-tia Ve Sa Fampijaliana Biby Ny Fanatanjahan-tena Nasiônalin'i Meksika?
Fanehoana fampisehoana Meksikàna mahoraka ve ny charrería sa fomba fanao hampijaliana biby?
Fihaonambe Faha-7-n'Ireo Firenena Any Amerika Ao Anatin'ny Bitsika 35
Manangona bitsika 35 avy amin'ny solontenan'ireo firenena 35 izay nandray anjara tamin'ilay Fihaonam-be fahafiton'ireo firenena any Amerika natao tany Panama ny Global Voices.
Misy Teny Iray Banga Tamin'ny Tantaran'ny Fandripahana Armeniana: Ny Rariny
Dimy tamin'ireo firenena Amerikana Latina ihany no nankato ny fisian'ny famonoana ny Armeniana, anisan'izany i Arzantina, mitantara ny tantaran'ny ray aman-drenibeny ny mpanoratra gazety iray.
Nahita Teheran Tany Caracas Aho
Miankina amin'ny zava-misy amin'ny fifanatonan'ireo firenena roa, lasa mpinamana sy manana zavatra iraisana - hatramin'ny fitiavana -- ny Iraniana sy ny Venezoeliana.
Fihaonana An-Tampon'ireo Ao Amerika : Any Amin'i Kiobà, Venezoela Ary Etazonia Daholo Ny Maso Rehetra
Hampisy tantara ny fandraisan'i Kiobà anjara amin'ny Fihaonana an-Tampon'ireo ao Amerika ny taona 2015, ary ho feno hafanana ny fihaonana tsy azo ihodivirana eo amin'ny filoha Venezoelàna sy Amerikana.
Ny Alimanakan'ny Tantaran'ny Olombelona, Nosoratan'ilay Mpanoratra Orogoaiana Eduardo Galeano
Namoy ny ainy i Eduardo Galeano. Miresaka ny faritra [Amerikana Latinina] ny bokiny "lalandrà Misokatr'i Amerika Latinina". Indreto sombiny amin'ireo boky farany indrindra, Zanaky ny Andro.
Manao Asam-Panoloratena Maimaimpoana Ny Mpifindra-monina Kolombiana ao Shily Ho Fanoherana Ny Fitsarana An-tendrony Atao Azy Ireo
Naneho firaisankina mahavariana tamin'ny alalan'ny fikarakarana hetsika fanampiana (fanadiovan-dalana) tao an-tanànan'i Shily ireo mpifindra monina Kolombiana, manohitra ireo fitsarana an-tendrony ataon'ny Shiliana maro manohitra ny mpifindra monina.
Misaona An'i Eduardo Galeano, Iray Amin'ireo Mpanoratra Goavana Ao Amin'ny Kaontinanta I Amerika Latina
Fantatra kokoa tamin'ny boky malaza nosoratany “Ny Lalandrà Misokatr'i Amerika Latinina”, namoy ny ainy tamin'ny Alatsinainy 13 Aprily tao Montevideo ilay mpanoratra Orogoaina sady mpanoratra gazety Eduardo Galeano.
Fiarovana ny Fahalalaham-pitenenana Sy ny Fanafenana Anarana Amin'ny Aterineto Ao Ekoatera
Manoloana ny fanamelohan'ny governemanta ny fanafenana anarana sy ny fanarabiana amin'ny aterineto, maro ny fikambanana ao an-toerana sy iraisampirenena nanasonia ny Fanambarana ho amin'ny Fahalalaham-pitenenana, ny Tsy Fitononana Anarana ary ny Fiainana Manokana amin'ny Aterineto ao Ekoatera.