Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Novambra, 2009
Puerto Rico: Kiaka manohitra herisetra
25 Novambra, ao anatin'ny fankalazana ny Andro maneran-tany natao hamongorana ny herisetra atao amin'ny vehivavy, izay manamarika ihany koa ny andro voalohany maeran-tany amin'ny hetsika 16 andro hanoherana ny herisetra [16 Days of Activism Against Gender Violence], dia vehivavy mpitoraka blaogy avy ao Puerto Rico no nanoratra lahatsoratra momba ny herisetra miantraika amin'ny fiainan'izy ireo, amin'ny fianakaviany ary amin'ny fiarahamonin-dry zareo. Nanoratra tonokalo ry zareo, fanadihadiana lalina, sy fampieritreretana ihany koa. 'Ndao mba hojerentsika ny endrik'izy ireo, hovakiantsika ny lahatsorany, ary hohenointsika ny feony.
Brezila: famoizana ilay mpitari-dalan'ny resaka niomerika
Malaza amin'ny resaka niomerika any Brezila i Daniel Pádua . Saripika nentin'i Cátia Kitahara ao amin'ny WordPress-BR. Namoy ny iray amin'ny mpitari-dalana amin'ny resaka niomerika androany (zoma) i Brezila. Nanao...
Repoblika Dominikana: Mitohy ny olana herinaratra
Vao tsy ampy 3 volana no nandraisany ny asa amin'ny maha filoha lefitry ny CDEEE (Dominican Corporation of State Electric Companies [es]) dia tsy maintsy mitady fanampiana any ivelan'ny fireneny...