· Marsa, 2008

Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Marsa, 2008

Mipariaka toy ny alondrano ireo lahatsary mikasika ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano

  30 Marsa 2008

Rano tony [Zen Water] sary nindramina tany amin'i darkpatator Nanomboka tamin'ny fivoriamben'ny Firenena Mikambana mikasika ny Tontolo Iainana sy ny Fampandrosoana izay notanterahina tany Rio-de-Janeiro tamin'ny taona 1992, dia tapaka fa hankalazaina isan-taona, isaky ny faha-22 Martsa ny Andro Iraisam-Pirenena hoan'ny Rano [World Water Day | Journée Mondiale de l’eau]....

Kiobà : Manakana mpitoraka blaogy

  28 Marsa 2008

Tianao hitakoritsika ve ny blogosfera Kiobàna ? Bahano ary ny famakiana blaogy tian'ny maro. Hatramin'ny nibahanan'ny manam-pahefana Kiobana blaogy tsy manohana ny fitondrana avy ao Havana tamin'ny fiantombohan'ity herinandro ity, dia nanohana tanteraka ny mpitoraka blaogy Kiobàna ny diaspora mpiblaogy – indrindra moa fa i Yoani Sancehz sy ny blog-ny...

Korian-karena : Tati-dresak'ireo mpiblaogy mikasika ny Andro Iraisam-Pirenena hoan’ny Rano

  28 Marsa 2008

(Tsy ho nahita masoandro mihitsy ity lahatsoratra ity raha tsy nisy ny fanampian'i Paula Góes, sy i Amira Al Hussaini ary i Lova Rakotomalala. Fankasitrahana eram-po no atolotra azy ireo !) Sary nindramina tamin'i Ragesh Vasudevan Iarahana mahafantatra ho fandevonana zava-drehetra, labieran'ingahy Adam [Adam's Ale], ranom-boakazom-panjakana [government juice], sôdan'ny mahantra...

Brezila sy Haiti: Rio de Janeiro sy ny Mpampandry tanin'ny Firenena Mikambana

  25 Marsa 2008

Namakafaka lalina i Aloisio Milani [pt] fa “mety ho foto-dalàna sady azo heverina no azo ampiharina amin'ny fampanjakana ny filaminam-bahoaka ny fidiran'ny tafika an-tsehatra anivon'ny tanàna breziliana efa miaina herisetra isan'andro, noho ny fisiana fikambanana jiolahy voalamina any an-toerana, ny fahombiazan'ny miaramila misatro-manga (n'ny Firenena Mikambana)”. Nahare loharanom-baovao avy amin'ny...

brezila: ankafizo ny ranomasina fa tsinjovy ay eo ny planeta

  25 Marsa 2008

” Amin'izao andron'ny sabotsim-piderana izao dia mamonjy ny morontsiraka ny olona aman'arivony hankafy ny fahafinaretana azo avy amin'ny ranomasina, ka mody fanina amin'ny fandaniana aterak'izany, tsy raharahiana ireo karazan-javatra nojifaina teny amin'ny torapasika ( vera plastika fanary sy famonosan'entana vita amin'ny polystyrene), noadinoina ny faharitran'ny rano azo sotroina sy ny...

Paragoay: ireo mpilatsaka ho fidìna izay mampiasa ny blaogy hahazoana mpifidy

  24 Marsa 2008

Sary nalain'i Muna Annahas Amin'ny 20 aprily ho avy izao no hifidy izay ho filoham-pireneny ny Paragoay. Betsaka amin'ireo mpilatsaka ho fidiana manan-danja no mampiasa ny blaogy ho fomba ifandraisana amin'ireo mpifidy, satria ao no ilazàny ny fomba fijeriny ny lafin-javatra iray manokana, ary ao koa no anazavàny ny drafitry...

Tohanan'ny daholobe ny fanamelohana ho faty

  20 Marsa 2008

Sary “brooms head romans.. ” an'i Antigua Daily Photo arovan'ny  licence Creative Commons. Ny tsirairay dia afaka mahita izay fifanoherana eto Guatemala momba ny fanamelohana ho faty izay. Andaniny, ireo Guatémaltèques dia mandray anjara mavesatra amin'ny fihetsiketsehana ara-pinoana karakarain'ny Katolika sy ny Protestanta mandritry ny herinandro masina, fotoana natao indrindra...

Orogoay : Fanontaniana ho an’ny vohikala mpizara rakikira sy sary iray

  20 Marsa 2008

Soratry ny tonia: Ity lahasoratra manaraka ity dia nadika avy tamin’ny fampiresahan’ny mpamaham-bolongana Orogoaiana, Martin Balao. Ilay mpamaham-bolongana manana ny anaram-bositra hoe E1000 izay iray amin’ny Olobe ao anatin’ny fikambanana Fotos de Uruguay [es] (Sarin’I Orogoay) no noresadresahany tamin’izany, fikambanana niainga tamin’ny fifampizarana sary tamina vohikala izay efa ahafahana itrohana...

Kioba: Tsy hisy ny sakana?

  16 Marsa 2008

Child of the Revolution (Zanaky ny Revolisiona) no misalasala raha mitodika amin'ny vaovao manambara fa “Afaka ny hividy kojakojam-pitaovana elekitironika tsy misy fanakatsakanana amin'izany ny Kiobana ” ho mari-pamantarana ny fivoaran'ny politika any.

Ekoatera : Mandrahona ny firenena ny loza voajanahary

  13 Marsa 2008

  Sary nalain'i MennoGuy, arovan'ny Creative Commons Na toa hadinodinon'ny mpanao gazety maro aza ny vokatry ny oram-be tany Ekoatera fa nirona tamin'ny olana diplomatika teo amin'i Colombia sy ny manodidina azy izy ireo, dia mbola maro no mijaly any an-toerana noho ireo loza voajanahary. Io sary eo ambony io...