Tantara mikasika ny Amerika Latina tamin'ny Janoary, 2014
Sary : Maherin'ny 5 000 Ireo Ankizy Nanamontsana Ny “Guinness Record” Tamin'ny Fanaovana Hosodoko Tao Amin'ny Lakandranon'i Panama
Nifanindry an-dalana ny fankalazàna ny fahazato taonan'ilay Lakandrano sy ny fahazoana ny "Guinness Record" tamin'ny fanaovana hosodoko miaraka. Lavitry ny adihevitra be amin'ny mety hisian'ny fanitaràna ilay lakandrano iny fety iny .
Nankatoavin'ny Kongresy Ao Meksika Ilay Volavolan-Dalàna Fanavaozana Ny Angovo Izay Hamarana Ny Amphimamban'ny Fanjakana Amin'ny Solika
Nanaiky ny fanovan-dalàna mikasika ny Angovo ny Antenimieran-doholona tao Meksika, izay heverina fa hampiato ny ampihimamban'ny fanjakana nandritry ny 75 taona tamin'ny tsenan'ny solika, lalàna izay hanokatra ny varavarana ho an'ireo mpampiasa vola avy ao an-toerana sy ny iraisam-pirenena.
Fampielezankevitra Politika Any Anaty Pasipaoro Panameana Vaovao?
Ilay pasipaoro vaovao elektronika navoakan'i Panama dia mirakitra ny zavabitan'ny governemantan'i Ricardo Martinelli any anatin'ireo pejiny. Niteraka hatezerana sy fanehankevira samihafa ilay hetsika
LAHATSARY: Fahatsiarovana Ny Fandroahana Tamin-Kerisetra Ny Vondrom-Piarahamonina Pinheirinho Tao Brezila
Manome feo ireo vondrom-piarahamonina fahiny tao Pinheirinho izay namoy ny tranony tamin'ny Janoary 2012 ny Somos Todos , horonantsary fanadihadiana izay azo jerena ety anaty aterineto ankehitriny
Mameno Ny Kihon-Dalan'i San Juan Tranainy Ny Fetiben'Ny Lalana Masindahy Sebastian Poertorikana
Amin'izao fotoana izao moa ny fetibe dia tsy ahitana intsony ilay marika maha-fivavahana azy, sy ny niofoany ho fetiben'ny tanàna izay mahazo olona mihoatra ny 300.000 isan-taona.
Uruguay Anatin'ny Toerana Andehanana 10 Tsara Indrindra In'Efatra Taona Misesy
Isan-taona ny Ethical Traveler no misafidy ny firenena andalam-pandrosoana folo tsara fitsidika indrindra. Tsy maintsy manaporofo ny adidiny amin'ny fiarovana sy fitehirizana ny loharanon-karenany ara-boajanahary ao aminy ireo firenena ireo.
Manainga Indray Ny Adihevitra Momba Ny Tsy Fandriampahalemana Ny Famonoana An'ilay Venezoeliana Mpanjakavavin'ny Hatsaran-tarehy Fahiny
Nisy nanafika tanaty velam-pandrika teny an-dalambe iray tao Venezoela i Mónica Spear, mpilalao sarimihetsika sy ny vadiny taloha ary ny zanany vavikely dimy taona. Namoy ny ainy i Spear sy ilay vadiny taloha
“No” [Tsia], Ilay Fanentanana Mamirapiratra Sy Mijery Lafitsaran-Javatra Nampahavitrika Revolisiona Iray

Inona no azontsika raisina avy amin'ny fanentanana politika taloha? Jery todika amin'ny hetsika izay namarana ny didijadon'i Augusto Pinochet tao Chile.
Olona 4 Nosamborina Tamin'ny Nanipazana Vovoka Fotsy Ny Filoha Lefitra Goatemalteka
Teo am-pandaozana ny kabarin'ny filoha milaza ny toe-draharaha ankapoben'ny firenena ny Filoha Lefitra. Fihetseham-po tamin'ny zava-nitranga sy ny fisalasalan'ny olom-pirenena amin'ny nataon'ny governemanta sy ny zava-bitany nandritra ny roa taona nahateo amin'ny fitondrana azy ireo.
Arte en el Trole (Kanto Ao Amin'ny “TrolleyBus”) : Mameno Olona Ny Toeram-bahoaka Ao Quito
Ny Arte en el Trole dia tetikasa fandraisana anjara momba ny zava-kanto sy ny kolontsaina eny amin'ireo toerana natokana ho an'ny daholobe tahaka ireo trolleybus ao Quito, ny trolleybus. Fantaro izany.